- Publicité -
vendredi, septembre 4, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToamasina : Sarona ireo jiolahy roa lahy saika handroba « cash point...

Toamasina : Sarona ireo jiolahy roa lahy saika handroba « cash point »

Voaporofo teto fa ny fiaraha-miasa eo amin’ny isam-batan’olona no handresena haingana ity tsy fandriam-pahalemana misy eto amin’ny firenena ity. Rehefa nahazo loharanom-baovao avy amin’ny tsara sitrapo ny polisim-pirenena ao Toamasina fa misy jiolahy mitetika hanao fanafihana « cash point » eo akaikin’ny tribunal, dia nametraka velam-pandrika avy hatrany, ka ny zoma tokony ho tamin’ny telo ora tolakandro dia voasambotry ny police ireo olon-dratsy. Roalahy izy ireo no sarona raha mbola niketriketrika ny hanatanterraka izany asa ratsy izany. Rehefa natao ny fisavana dia nahatrarana ireny basy fentina milalao Paintball ireny tamin’izy ireo. Mandratra olona rehefa ampiasaina io basy io raha ny fanazavan’ny Commissaire Rakotovao Jean Christian. Ny Polisim-pirenena teto Toamasina dia nametraka paik’ady fanamafisana ny fandriam-pahalemana mialoha sy mandritra ary aorian’ny fetin’ny Paska. Manoloana izany dia misy ny fanaovana fisafoana eny amin’ny toerana be olona mivezivezy sy any anaty Tanàna rehetra any. Ankoatr’izay dia manentana ny vahoaka izy ireo mba hiantso avy hatrany raha misy ny tranga mampiahiahy mahakasika tsy fandriam-pahalemana.

T.M.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici