Raha nisy kely dia saika voafaoka ary toa niniana mihitsy kanefa fiara teo anoloany. Izany no fijoroana vavolombelon’ny mpamily iray izay nahatsikaritra fa manao loham-boto loatra ny mpitondra ilay kamiao tsy laitram-bala izay mpitatitra vola na « convoi de fonds ». Tetsy Analakely no nisian’izany raha nanatitra vola tao amin’ny banky iray ilay fiara mpiandraikitra izany. « Soa fa nisy nalalaka kely ary nalefa tany ny fiara raha tsy izany dia rava teo » raha araka ny fanazavàn’ny saina niharan-doza. Tena nofaohin’ilay fiara lehibe tanteraka mantsy, hoy hatrany ny loharanom-baovao. Mitam-basy ny mpamily ary mbola misy mpitandro ny filaminana manaraka koa ary mirongo fitaovam-piadiana. Lasa mafibe angamba izy ireo vokatr’izany ary dia lasa mampihorohoro ny fiara hafa eny an-dàlana. Mazava tsara anefa ny ao anatin’ny lalànan’ny fifamoivoizana eto Madagasikara izay andininy L9-1.1 : tsy ao anatin’ny lisitry ny fiara « prioritaire » ny mpitatitra vola. Tsara ho fantatry ny besinimaro, indrindra ny mpandrindra fifamoivoizana…
D.R




