- Publicité -
vendredi, septembre 4, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSadabe : Jiolahy raindahiny maty voatifitra, telo hafa voasambotra

Sadabe : Jiolahy raindahiny maty voatifitra, telo hafa voasambotra

Isan’ireo nitifitra sy nahafaty miaramila iray tany amin’iny distrikan’Ambohidratrimo iny, ny volana martsa lasa teo ity olon-dratsy maty voatifitry ny zandary, ny alahady teo ity, niaraka tamin’ireo ekipany. Tompon’antoka ihany koa tamin’ireo fanafihana mitam-piadiana maromaro, halatr’omby sy fakàna an-keriny tamin’ireo faritra manodidina : Sadabe, Analaroa, Avaratsena Sahalemaka.

Tsy misy fety sy andavanandro tokoa ny fitandroana ny filaminana. Ny andron’ny Paka lasa teo mantsy dia voasambotry ny zandary avy ao amin’ny Vondron-tobim-paritra Imerina Central (IC), ny jiolahy raindahiny fantatra amin’ny petak’anarana hoe « Badiste ». Tao Anonoka, fokontany Antanetibe, kaominina Sadabe, distrika Manjakandriana ity farany no voapaingotr’ireo mpitandro filaminana, rehefa nisy ny hazalambo nandritry ny roa herinandro teo ho eo. Tamin’io fotoana io ihany dia nentina avy hatrany nihazo ny borigady ity olon-dratsy efa nifampitadiavana ity, mba hofotopotorana.

Nitranga indray anefa ny tsy nampoizina teo satria dia jiolahy teo amin’ny efatra teo, efa nitampify fatratra tao anaty kirihitr’ala no niandry fotsiny ireto zandary nitondra ity olona voasambotra ity, niaraka tamin’ny basim-borona sy basy Mas36. Vao tazan’izy ireo fotsiny ny fiaran’ny zandary dia efa tifitra variraraka no nasetrin’ireto mpanakan-dalana, izay azo heverina avy hatrany fa naman’Ing. Badiste. Ity farany ihany koa, nanararaotra izany fifampitifirana teo amin’ny roa tonta izay dia niporitsaka teo am-pelatanan’ireo mpisambotra azy. Raha ny fampitam-baovao azo dia mbola somary maizina ny andro, satria tany ho any amin’ny dimy ora maraina tany no nitranga izany. Voatery nizara roa araka izany ny zandary teo, niaro tena tamin’ny tifitr’iretsy mpanakan-dalana no niezaka ihany koa nampijanona ny fandosiran’ilay voasambotra. Izy rahateo tsy nety nijanona ka voatery nitifitra azy ireo zandary. Maty tsy tra-drano tamin’io ihany moa ity farany. Ny fahitàna izany fivadihan’ny toe-draharaha izany ihany koa no nampitsoaka toy ny tsy teo iretsy efa-dahy nifanandrina tamin’ireto mpitandro filaminana.

Araka ny voalaza dia efa tena hikoizana tanteraka amin’ny asa ratsy izay mampiravirary tanana ireo mponina any amin’iny faritra iny ity olon-dratsy ity miaraka amin’ireo namany. Hany ka velom-pisaorana ireo zandarin’ny « IC » ireo mponina sy tompon’andraikitra tany an-toerana amin’izao vokatra izao. Tetsy andanin’izay, efa nisy olona telo mpiray tsikombakomba tamin’Ing. Badiste no efa voasambotra. Ramatoa iray voalaza fa isan’ireo mpamatsy bala azy ireo, tra-tehaka ny faran’ny volana martsa teo ary efa nadoboka am-ponja vonjimaika, ary lehilahy roa hafa, izay hatolotra eo anivon’ny Fampanoavana anio, raha tsy misy ny fiovàna.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici