Nitranga loza tao ami’ny farihy Tatamarina Betafo omaly alatsinain’ny Paska. Olona 16 no navadiky ny lakana tamin’izany, ka 6 no fantatra fa maty. Olona 10 kosa avotra soa aman-tsara ary manaraka fitsaboana any min’ny hopitaly ao Betafo. Araka ny fanazavana avy any an-toerana, maro ny olona tonga nitsangatsangana teny amin’ity Farihy ity omaly alatsinainy. Nisy ny karazana hetsika sy lalao teny an-toerana ka anisan’izany ny fandehanana lakana mihodina eo amin’ny farihy Tatamarina. Misy ny sarany aloha isan’olona amin’izany ka mifandimby eo ny rehetra izay maniry ny handeha anaty lakana. Teo amin’ny anjaran’ireo olona 16 mianaka handeha anefa no niseho ny loza ka nampivadika ilay lakana. «Mety noho ny vesatra na nihetsiketsika loatra ireo mpandeha nahatonga ny loza. Tazanay somary nilenika ilay lakana raha vao niakatra ireo mpandeha », hoy ny olona nahita maso ity loza ity. Horakoraka no niseho tamin’izany sy antso vonjy. Tsy nisy rahateo ny « gilet de sauvetage » fitondra anaty rano ka anisan’ny nanahirana tamin’ity loza ity. Nisy ny mpitandro filaminana sy ny vaomiera niasa teny an-teorana, ka ireo no nandray andraikitra avy hatrany tamin’ny asa famonjena. « Anisan’ny nanahirana ny tsy fahampian’ny fitaovana nanaovana ny asa famonjena. Teo ihany koa ireo zaza amam-behivavy izay nikoropaka raha vantany vao nivadika ny lakana », hoy ny fanazavana avy amin’ny mpitandro filaminana. Nanao izay ho afany ireo mpamonjy voina ka izao nahitam-bokany tamin’ny fanavotana ireo olona 10 ireo. Mbola nitohy ny fikarohana izay tsy hita omaly hariva.
Yv Sam




