dimanche, avril 20, 2025
AccueilFaits-DiversIray volana aty aoriana : Tsy mandeha sahady ny moteran’ny lakan-dry Zambia

Iray volana aty aoriana : Tsy mandeha sahady ny moteran’ny lakan-dry Zambia

Indroa nivoaka an-dranomasina nampiasa ilay lakana motera vao natolotra an’i Zambia sy ny namany iray volana lasa ny 19 avrily teo. Fanomezana avy amin’ny fitondram-panjakana tamin’ny fanavoatana ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena dobo an-dranomasina. Tena lanonam-be mihintsy ny fanolorana azy ity tao Mahambo iray volana lasa izay, izay natrehan’ny filoham-pirenena sy praiminisitra ary ireo minisitra nanara-dia, nefa izao efa maty sahady izao nefa vao indroa nampiasana nivoaka an-dranomasina. Raha nanontaniana tamin’ny antso an-tarobia anefa ity mpanarato lasa olona nalaza tampoka ity dia mbola tsy vita ilay motera noho ny fahasimbana eo amin’ny “turbine” an’ilay motera izay mahatratra efatra alina sy iray hetsy ny iray eto Toamasina, hoy ingahy Zambia tamin’ny mpanao gazety. Nomarihan’ingahy Zambia sy ny namany, fa tsara ny vokatra azo tamin’ny fanaratoana natao tao anatin’izay indroa nivoahana an-dranomasina izay, nefa indrisy simba ny fitaovana ka miandry ny hasolo azy na ny fanamboarana azy amin’izao. Milaza ny hifampiresaka amin’ny minisitry ny jono moa ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena mikasika ity fahasimbana amin’ny motera ny lakan’i Zambia sy ny namany ity, raha niezaka niantso azy ireo mpikarakara ity lanonana ity izay natao ny 19 marsa lasa teo mba hijerana ny zava-misy fa mijaly ireo mpanarato ireo. Ankoatra izany manahy ny fanovana ny kojakojan’ilay motera ireo mpanarato ireto, ka nanova izany ka izao simba sahady izao izany. Mitaky fanadiadiana amin’ny novidianana ilay motera ireto mpanarato ireo, fa tsy mitombina raha motera vaovao efa simba sahady.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici