dimanche, avril 20, 2025
AccueilFaits-DiversDrogue : Mpivady nosamborina

Drogue : Mpivady nosamborina

Fivarotana izany no antony nisamborana azy ireo tetsy Andraisoro. Efa fanta-daza amin’izany izy ireo raha ny filazan’ny polisy ary mbola nahitàna fitaovana vitsivitsy nandritry ny fisamborana tao an-tranony. Ankoatr’izany dia mbola nisy lehilahy sy vehivavy iray hafa koa sarona teo am-pidorohana, mbola iny andro iny ihany. Ireo indray dia « amphétamine » no vidian’izy ireo lafo, aman-hetsiny ny girama ary nitsotra izy ireo fa tena miankin-doha tanteraka amin’io karazana zava-mahadomelina io. Raha tsiahivina dia isan’ny tena betsaka nentina tao amin’ny hopitaly nandritry ny fetin’ny paska ny olona izay nidoroka rongony be loatra ary ny tena maro tamin’izany dia ireo nanao « overdose » tamin’ny « héroïne ». Mampanahy tanteraka ankehitriny ny fiparitahan’itony rongony nafarana itony, tsy eto an-drenivohitra ihany fa hatrany amin’ny faritra.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici