Fiara iray marika Express miloko mena no latsaka anaty hantsana tsy lavitra ny toerana antsoina hoe « Radama I », omaly tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro teo. Tafahitsoka tao anatiny tao ny mpamily ary nosokirin’ny fokonolona saingy nanahirana ny famoahana azy tao. Tonga teny an-toeana ny mpitandro filaminana sy ny mpamonjy voina ary ny « ambulance » nanao ny asa famonjena. Tafavoaka soa aman-tsara ilay mpamily, izay nahitana ratra ary netina namonjy toeram-potsaboana. Tsy afaka namaly ny antony nahatonga ny loza ny tenany noho izy toy ny tsy tompon’ny tenany. Ny olona teny amin’ny manodidina no nilaza fa nihemotra io fiara io ary latsaka tao amin’ilay hantsana io. Tsy fantatra na nisy olana ny fiara fa tsy nahatana azy ny mpamily ary nivarina tany anay hantsana. Soa ihany fa tsy nisy olona voatsindry vokatr’izany, na nivarina tamin’ny tranon’olona tao ambany tao. Somary nisy kirihitra ka nanampy tamin’ny fanamavainan’ny fitontonan’ny fiara tany ambany tany. Hatairana ny an’ny olona satria tsy nisy nanampo ny loza. Nisy ireo ankizy nandeha teny an-toerana, ka hikiaka no nasetrin’ny manodidina izany. Tao anatin’ny fotoana fohy ny nivarinan’ity fiara ity tao amin’ilay hantsana ka nipoahan’ny fidobohana toy ny varatra. Avotra soa aman-tsara ny mpamily izay izy irery no tao anaty fiara. Misokatra ny fanadihadiana momba ity loza ity.
Yv Sam
Fiara NIVARY?????? an-kady.
Mampieritreritra sy