Teny am-pelatanan’ity ramatoa iray no tratra ilay zazavavy kely tsy hita tao Vatofotsy Antsirabe omaly. Teo am-piakarana ny taxi-be no hitan’ny olona ilay ramatoa nitrotro ilay zaza, ka avy hatrany dia nosamborin’ny olona. Nilaza ho renin’ity zaza avy hatrany io ramatoa io rehefa nanontaniana. Nisy nafantatra anefa ity zaza, izay efa nosoloin’ilay vehivavy akanjo ka dia noraisim-potsiny teo. Raikitra rahateo ny antso vonjy ka nitangorona tao anatin’ny fotoana fohy ny olona. Tsy nisy irika nitsoahana intsony ilay ramatoa. Efa saika niharan’ny fitsaram-bahoaka fa tonga haingana ny polisy. Mody nisary adala avy hatrany ity ramatoa ity. Rehefa nandeha ny fandihadiana ity farany dia nilaza fa vehivavy telo izy ireo no manao ity asa ity ary efa namidiny hatramin’ny zanany naterany aza. Feno finday maro be ihany koa tany aminy tamin’ny nisavan’ny mpitandro filaminana azy, hoy ireo nanatri-maso. Efa niakatra ny hatezaram-bahoaka satria ity tranga ity dia manamafy ny fisian’ny mpanagala-jaza izay indraindray lazaina fa honohono. Araka ny fanazavana, zazavavy kely antsoina hoe Nacya, 3 taona no tsy hita teny Vatofotsy Antsirabe raha naka paoma tamin’ny mpivarotra iray tsy lavitra ny fonenany ary tsy niverina intsony. Nikaroka ny ray amn-dreniny ka tsy hita ilay zaza ka teo vao nikorapaka nampilaza ny mpitandro filaminana. Nanao fampilazana fitadiavana ilay zaza tamin’ny Facebook ary nanaparitaka ny sary sy ny mombamomba azy ny fianakaviany. Nisy fiantraikany avy hatrany izany ary izao nahitam-bokany izao. Nentin’ny polisy nanaovana fanadihadiana ilay ramatoa io. Mazava ho azy fa misy ny mpandray ny zaza halatra, efa nivarotra ny zanany ihany koa ireo ary mbola misy olona hafa mihaodihaody any. Mety amin’ny toeran-kafa ihany koa ahitana azy ireo. Andrasana ny tohin’ny fanadihadian’ny polisy ka heverina fa hahitam-bokany ka ho tratra ny mpiray tsikombakomba amin’ity mpanagala-jaza ity sy izay mpandray zaza halatra.
Yv Sam