Tsy mahay manana ! Mbola tsy ampy herintaona akory no nisokafan’iny Rocade Iarivo iny kanefa efa maro sahady ireo fahasimbana hita taratra eny an-toerana : vy misy manongotra, « plaque » miongatra, jiro tsy mirehatra ary ny tena loza dia efa tonga eny sahady ihany koa ireo tontakely.
Mahakasika ireo fahasimbana sy halatra vy nisy teny an-toerana dia efa nanao antso avo ny tompon’andraikitra, hampandrenesana ireo mpitandro filaminana haingana ho an’ireo izay manam-baovao momba ireo mpanimba fananam-bahoaka ireo. Efa nisy ny tratra moa, vao afakomaly. Tsy teny an-toerana akory ary fa efa taty Ambolokandrina, ary nifanena tampoka tamin’ireo pôlisy mpanao fisafoana. Roa lahy izy ireo ary nahatrarana vy lava miisa roa, izay fantatra fa andrim-by milanja ireo takelaby manondro lalana eny amin’ny Rocade. Nentina notazomina sy nohadihadiana teny amin’ny biraon’ny pôlisy moa izy ireo alohan’ny nanolorana azy teo anivon’ny Fampanoavana.
Fa ankoatr’ireo fanimbana isan-karazany eny an-toerana dia efa manomboka ihany koa ny tsy fandriampahalemana. Misy ampahan-dalana maizina tanteraka mantsy eny an-toerana, tsy mirehitra intsony ny sasany amin’ireo andrin-jiro, raha tsy hiteny fotsiny afa-tsy ny eo amin’ny « rond point » Nanisàna, mihazo an’Ambohimahitsy iny na ilay mizotra aty Ankadindramamy. Amin’ireto toerana maizina ireto, ireo mpanao ratsy no manao ny ataony. Tsy vitsy ireo mpampiasa lalana no mitaraina fa hiarahan’ny sotasota isan-karazany : ny fiara voatoraka vato, simba fitaratra, sns, ary ny mpitondra môtô misy mamafy fasika.
Ekena anefa fa misy mpitandro filaminana maromaro mitoby ary tsy miala mihitsy amin’iny lalana iny : eo Andranobevava, Nanisàna, Ankadindramamy, Ambohimahitsy ary eny By pass. Saingy ankevitry ny fantapantatr’ireo mpanao ratsy ny ora sy fotoana handehanan’izy ireo manao fisafoana, ka eo anelanelan’izany fotoana izany izy ireo no manao ny asa ratsiny. Raha tsy izany ve, hanana fotoana malalaka ireo mpangalatra vy, hanatsofàna ireny andrim-by sy arofanina ireny ?m.L