lundi, avril 21, 2025
AccueilFaits-DiversHalatra hafakely : Tratra ireo naka ny môteran-tsambon’ny Bngrc

Halatra hafakely : Tratra ireo naka ny môteran-tsambon’ny Bngrc

Olona telo no voasambotra momba ity raharaha ity. Moteran’ny sambo haingam-pandeha iray izay an’ny birao nasionaly misahana ny fandrindràna ny fahavoazana vokatry ny loza voajanahary no nalain’ireo olon-dratsy. Ny alin’ny 17 aprily no notontosain’ireo ny halatra. Ny solon-tenam-panjakana, dia ny sefo distrika izany no tonga nametraka fitoriana teny anivon’ny polisy tao an-toerana. Nanomboka teo koa ny fanokafana fanadihadiana. Fantatra tao anatin’izany ny fisian’ny fiara iray izay nampiasaina ho fitaovam-pitaterana ny entana halatra. Mitondra ny marika Parsun ary manana hery 60 chevaux ilay motera very. Rehefa nandeha ny fanadihadiana dia nosamborina ny tompon’ilay fiara nampiasain’ireo mpangalatra. Avy amin’ny fanadihadiana io olona io no nahazoana ireo mpangalatra hafa no sady mpiray tsikombakomba taminy. Telo no voasambotra tamin’ity raharaha halatra fananam-panjakana ity ary natolotra ny fampanoavana izy ireo ny asabotsy lasa teo.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici