lundi, avril 21, 2025
AccueilFaits-DiversAmbodin’Isotry : Tovovavy avotra teo am-pelatanan’ny mpanendaka

Ambodin’Isotry : Tovovavy avotra teo am-pelatanan’ny mpanendaka

Teo amin’ny toerana sy fotoana nilàna azy tokoa ity tompon’andraikitry ny filaminana iray ity, tetsy Ambodin’Isotry. Tovovavy iray mantsy no lasibatry ny jiolahy maromaro ny alin’ny sabotsy teo. Soa ihany, nandray ny andraikiny avy hatrany ity farany.

Tsy faripiadidiny ary tsy toerana iasàny akory aza ny teny amin’iny faritra Ambodin’Isotry. Handeha hividy zavatra teny an-toerana izy no naheno ny antso vonjin’ity vehivavy ity raha ny angom-baovao azo. Efa tena alina ny andro ary toerana somary mangingina rahateo no niavian’ilay feo, saingy nentanin’ny adidy ho an’ny vahoaka, dia niezaka avy hatrany nizotra tany amin’ilay toerana nisy izany antso vonjy izany, eny na dia hoe izy irery aza. « Andian-jiolahy maromaro ry zalahy no efa nitangorona teo amin’ity vehivavy ity, izay efa tsy afaka nanao n’inona n’inona intsony » hoy ny fanazavana. Teo anatrehan’ny zava-nisy dia tsy maintsy nampiasa ny fitaovam-piadiana teny an-tanany izany pôlisy izany. Saingy tsy afaka ny tonga dia hitifitra be fahatany anefa satria, araka ny voalaza etsy ambony dia efa voahodidina ilay vehivavy, ka atahorana ny hahavoa azy. Tifi-danitra no nataony nentina nampitahorana ireto andian-jiolahy ireto. Nanakoako iny alina, eran’ireo faritra manodidina ny feom-basy, nanaitra ny rehetra ihany koa teny an-toerana. Ireo olon-dratsy moa, vantany vao nahita ilay pôlisy sy ny basy teny an-tanany dia rafitra nitsoaka toy ny tsy teo, ary samy niparitaka tanaty elakelan-trano tany, namela ilay hazan’izy ireo teo. Avotra soa aman-tsara ilay vehivavy. Taorian’io kosa dia efa nandeha ny hazalambo hikarohana ireto olon-dratsy ireto teny an-toerana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici