Nahitana vokany ny fikarohana nataon’ny zandary, mikasika ilay famonoana ankizy vavy niseho teny Avaratetezana Ampitatafika niseho ny asabotsy lasa teo.
Olona iray mantsy izao no efa voasambotra voarohirohy amin’ity raharaha ity. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa, teny amin’ny manodidina teny ihany izy no nalain’ny mpitandro filaminana. Efa fotorana akaiky izy amin’izao fotoana izao. Raha tsiahivina ny zavatra niseho dia toy izao. Fatim-behivavy iray nantsingevan’ny rano no hitan’ny olona tany an-tanimbary. Tamin’ny 10 ora tamin’izay. Ny sefo fokontany no nandeha nilaza tany amin’ny mpitandro filaminana. Rehefa nampakarina ny razana dia nahitana diana antsy telo. Teo amin’ny tendany, nisy diana tady sy lamba ohatra ny nanakendana azy. Tombanana fa vao haingana no nanipazana azy tao anaty rano. Araka izany, nampijaliana ity zaza vavy ity ary rehefa maty dia natsipy tany anaty lavaka avy nanaovana biriky. Tsy nisy nahalala azy ny teny an-toerana.
r.s.