- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversFamotsiam-bola iray miliara ariary : Afaka madiodio ireo olona fito voarohirohy

Famotsiam-bola iray miliara ariary : Afaka madiodio ireo olona fito voarohirohy

Niakatra fitsàrana (Chaine pénale anti-corruption) omaly hariva be, ilay raharaha famotsiam-bola iray miliara ariary. Naharitra ora maromaro ihany ny fotoam-pitsarana raha ny fantatra, satria dia tany amin’ny 2 ora maraina tany ho any vao vita. Fantatra tamin’izany ary fa nahazo fahafahana madiodio ireo olona fito voarohirohy tamin’ity raharaha ity, ary anisan’izany ireo teratany Sri-lankais roalahy, voalaza fa atidoha nikotrika azy iny. Araka ny vaovao voaray ihany dia toa hoe mbola hanohy ny fanadihadiana ny Fitsarana ary mbola hisy ny fotoam-pitsarana hafa. Mampametram-panontaniana ihany ny tranga toa izany ? Sanatria tsy hoe hanao tsinontsinona ny valim-pitsarana akory, fa midika zavatra betsaka izao fanafahana madiodio ireto olona voarohirohy ireto. Nisy inona tao ambadika ? Dia ho naverina tamin’ny tompony indray ve izany ireo volabe nogiazana ? Vola be, izay raha ny voalazan’ireo mpanao famotorana dia tsy nanaraka ny lalàna velona ny fomba nahazoana azy. Lasa ihany ny sain’ny mpanara-baovao manoloana izao tranga izao, herim-po very maina fotsiny izany ny asan’ireo zandary nanao famotorana tamin’iny raharaha iny. Tsy iny raharaha iny ihany akory mantsy no isan’ny goavana natsikafon’ny avy ao amin’ny zandarimariam-pirenena tao anatin’ny iray volana izay. Raha tsy hiteny afa-tsy ny fiezahana ny hamongotra ny raharaha famotsiana omby halatra any Atsimo, izay efa tambajotra matanjaka. Etsy andanin’izay ihany koa ny fandravana ny tambanjotra mpanao sekin’ny solika sandoka ary iny raharaha famotsiam-bola amina miliara iny. Ny raharaha lehibe farany teo, ilay volamena amam-polony kilao sarona tetsy Ivato. Harem-pirenenana, izay efa hita sy fantatry ny rehetra, fa saika haondrana an-tsokosoko tany ivelany. Ny vaovao farany voaray aloha hatreto dia toa hoe, ao anatin’ny famotorana tanteraka ry zareo amin’ny zandarimariam-pirenena amin’izao fotoana izao. Dia ho sanatrian’ny vava ihany koa ve, ka ho very an-javony ny tohiny ? Ny hirarian’ny rehetra fotsiny ary isan’ny handrandrain’ireo mpanara-baovao rehetra ny handraisana fepetra henjana mikasika an’ireny mpambotry ny Malagasy ireny.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser