lundi, avril 21, 2025
AccueilFaits-DiversOniversite Barikadimy Toamasina : Voafidy ny filohan’ny syndikan’ny mpiasa vaovao…

Oniversite Barikadimy Toamasina : Voafidy ny filohan’ny syndikan’ny mpiasa vaovao…

Notontosaina ny faran’ny herinandro teo ny fifidianana izay ho filohan’ny syndikan’ny mpiasa eo anivon’ny oniversiten’i Toamasina vaovao. Roa lahy no nifaninana nandritra izany, dia Atoa Ralaimazava Charles sy Atoa Raharison José. Niisa teo amin’ny 461 ny mpifidy voasoratra anarana, saingy niisa teo amin’ny 215 no tonga nanefa ny adidy nandritra ity fifidianana nataon’ny mpiasan’ny Oniversite ity; nisy ireo mpiasa no avy lavitra izany hoe faritra telo misy eto Toamasina ka tsy tonga nandritra izany. Voafidin’ny be sy maro tamin’ny isam-bato 147 ny mpifidy ny filoha vaovao Atoa Raharison José. Nametrahan’ny mpiasa ny fitokisany ity filohan’ny syndika vaovao ity miaraka amin’ny filoha vaovao ny Oniversite, Atoa Razanakolona Diny, koa amin’ny famahana ny olan’ny mpiasa indrindra fa ny lafin’ny karama sy ny tambin-karama. “Laharampahamehana ireo fitakian’ny mpiasa hatramin’izay ireo ka tsy maintsy ataoko vain-dohan-draharaha ny fandinihina azy miaraka amin’ny mpitantana ny oniversiten’i Toamasina”, hoy hatrany ity filoha vaovao ny syndikan’ny mpiasa ity. Ankilan’ny fifidianana ny filoha ny syndika, dia nofidiana koa ny mpanaramaso ny volan’ny mpikambana (commissaire aux comptes), ka lany tsy nisy mpifaninana tamin’izany Atoa Rasolonirina Jean Claude Aimé. 

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici