lundi, avril 21, 2025
AccueilFaits-DiversMorafenoboana-Maevatanàna : Olona enina nalain'ny jiolahy an-keriny

Morafenoboana-Maevatanàna : Olona enina nalain’ny jiolahy an-keriny

Nisehoana fanafihana mitam-piadiana ny alin’ny Zoma hifoha Asabotsy teo tany amin’ny tanànana antsoina hoe: Andoha-bararata, kaominina ambanivohitra Morafenoboana, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna. Olona enina no nalain’ireo jiolahy an-keriny ary netiny nitsoaka niaraka tamin’izy ireo. Araka ny fampitam-baovao voaranay hatrany dia filoham-pokontany iray sy ny vady aman-janany niaraka amin’ny lefitry ny ben’ny tanàna iray sy ny vady aman-janany any an-toerana. Dahalo 35 nirongo fitaovam-piadiana ihany koa no tonga nanafika tany an-toerana tamin’io fotoana io. Nanao ny fomba rehetra nahafahana niditra amboletra tao amin’ny trano nokendreny hotafihan’izy ireo. Rehefa avy nandravarava sy niditra amboletra tany anaty trano ary nandrahona ny tompon-trano no nambanana tamin’ny basy. Mialoha ny nandehanan’izy ireo dia naka an-keriny olona enina ireo jiolahy. Fantatra fa tsy naka omby marobe teo an-tanàna izy ireo. Ny ampitson’io no nisy nampandre ny Zandary ka efa tonga nidina ifotony tany an-toerana nanao ny fizahana ny zava-niseho. Marihana fa tsy nisy naratra sy namoy ny ainy nanadritra ny fanafihana nataon’ny malaso tany Andoha-bararata. Efa mandeha ny fanadihadiana sy fikarohana ireo jiolahy sy ny olona nalainy an-keriny. Voalaza fa any amin’ny Manodidina ny Manakam-bohibohitra ny dian’ireo jiolahy nitondra ny olona lasa an-keriny.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici