Tetsy Mandrosoa Ivato, ny faran’ny herinandro teo. Fiara mitondra ny laharana « …wwt » iray no nosakanan’ny zandary teo an-toerana. Tsy nisy fisavàna ny antonta-taratasy akory fa nasaina nijanoan ilay fiara ary nalaina sary. Navela nandeha nony avy eo. Tranga efa mateti-piseho sy matetika mahazo ireo fiara mitondra ity laharana miavaka ity tokoa izany, ary nampametram-panotaniana ny maro. Somary nahasanganehana ireo tompon’ny fiara mihitsy aza moa fa hoe alalàna avy aiza no ahafahan’ny mpitandro filaminana maka sary ny fiara, tsy nisy fieràna tamin’ny tompony ?
Araka ny fanazavàna nomen’ny manamboninahitra iray, tompon’andraikitra eo anivon’ny zandarimariam-pirenena dia « zavatra tsy tokony ahatahoran’ireo tompon’ny fiara izy io fa hetsika toy ny hetsika rehetra atao ho an’ny fiara mitondra ny laharana « WWT » sy ireo fiara takelaka mena rehetra, entina hisorohana ny fampiasàna tsy ara-drariny ity laharana manokana ity sy ireo fiaram-panjakana araka ny baiko avy any ambony». Raha ny tokony ho izy tokoa mantsy, araka ny voalazan’ny lalàna, dia eo amin’ny dimy taona eo ihany ny fetra ahazoan’ny fiara mitondra io laharana manokana io. Laharana izay ny mpivarotra fiara matihanina na « concessionnaire » ihany no afaka manome azy. Dila io fe-potoana io dia tokony hivadika laharan’ny fiara ara-dalàna eto amintsika amin’izay. « Misy anefa, raha ny nambaran’ity tompon’andraikitra ity hatrany, fiara efa amam-polo taonany na dia mbola mitondra izany laharana izany ihany. Ary ny tena loza dia misy ireo jiolahy sy mpanao afera maloto isan-karazany no miafina ao ambadik’io laharana io ».
Na izany aza, nanamafy ity farany fa tsy manenjika ara-keloka eo no ho eo akory ireo mpitandro filaminana. « Maka ny sary izy. Mandefa izany any amin’ny lehibeny. Ireto farany indray mampita izany any amin’ireo sampan-draharaha isan-tsokajiny tokony hiantefany na any amin’ireo mpivarotra fiara matihanina. Ka aorian’izay, rehefa hita fa nisy ny fandikàn-dalàna, izay vao miroso amin’ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana. Ka ilay sary azo no entina hanombohana sy hitadiavana ilay fiara ».
Torak’izay ihany koa ho an’ireo fiaram-panjakana, izay hita sy voasava, izay misy mampiasa amin’ny sehatra tsy tokony hanaovana izany na amin’ny asa ratsy mihitsy. Marihana fa efa hetsika nanomboka taona vitsy lasa izay ary mbola mitohy hatrany. Ary tao anatin’izay fotoana izay dia efa maromaro ihany ireo tratra sy efa voasambotra.
m.L