dimanche, avril 20, 2025
AccueilFaits-DiversRN6 : Fiara handeha hividy katy nivadika, mpitondra fivavahana iray namoy ny...

RN6 : Fiara handeha hividy katy nivadika, mpitondra fivavahana iray namoy ny ainy

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tamin’iny lalam-pirenena fahenina iny, ny voalohan’ny herinandro teo. Fiara tsy mataho-dalana iray no niharan-doza teo amin’ny PK533+800, teo amin’ny toerana antsoina hoe Maromokotra, kaominina Beramanja, distrika Ambilobe. Tokony ho tamin’ny iray ora maraina tany ho any no niseho ny loza, raha ny fampitam-baovao azo avy any an-toerana. Any avy Ambanja izany fiara izany, izay nitondra olona manodidina ny 12 isa teo ho eo, ary handeha hihazo an’Antsalaka, Antsiranana II tamin’io andro io. Voalaza fa nikasa ny handeha hividy « katy » izy ireo tamin’izay fotoana izay no izao tra-doza izao. Mazava ho azy, hoy hatrany ny vaovao fa nandeha mafy izy ireo ary antony iray nahatonga ny loza izany, rehefa tsy voafehin’ny mpamily intsony ilay fiara, nanampy trotraka ihany koa ny lanjan’ireo mpandeha am-polony tao anaty anatiny. Vokany, nivadibadika ity fiara tsy mataho-dalana ity. Lehilahy iray, 34 taona, mpitondra fivavahana ao amin’ny fiangonana ao Ambilobe no namoy ny ainy avy hatrany. Olona fito tamin’ireo mpandeha kosa no naratra mafy, ka voatery nentina novonjena haingana tany amin’ny hôpitaly tao Ambanja sy tao Ambilobe. Marihana moa, araka ny vaovao azo hatrany fa tsy tazana teny an-toerana intsony ny mpamilin’ilay fiara fa nitsoaka. Efa tonga nijery ifotony ny zava-misy moa ireo mpitandro filaminana tany an-toerana, ary nanampy tamin’ny famonjena ireo naratra. Tetsy andanin’izay dia efa nisokatra ihany ny fanadihadiana mahakasika ity trangana lozam-pifamoivoizana ity. Ny zandary avy eo anivon’ny tobim-paritra Ambilobe no niandraikitra izany.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici