Seho haka kely indray ity niseho omaly tokony ho tamin’ny 8bora alina. Polisy roa nanao fandrindrana fifamoivoizana teo amin’ny manodidina ny « rond-point » Ankazomaga mihazo ny lalam-baovao iny no noterena nanao «roulades » teo ampovoan’ny arabe sy teo imasom-bahoaka. Nitranga izany rehefa nisy lehilahy iray izay nitondra fiara kely miloko manga nandalo ka nahita fa nisy taxibe zotra 105 niodina an-dalana teo amin’io « rond-point » io nefa tsy nosakan’ireto polisy ireto. Niaka-pofona ilay lehilahy izay tsy fantatra marina na lehiben’ireo mpitandro ny filaminana ireo satria araka filazan’ny nanatri-maso teo dia tsy nampiseho ny karatra maha-mptandro filaminana azy mihitsy izy. Ny nahavariana ny maro dia ity izy tonga dia nandray andraikitra avy hatrany ka nisava sy naka ny taratasin’ireo fiara izy heverina fa tsy dia mazava sendra nandalo teo amin’io « rond-point » io. Nisy moa ireo olona izay nahita izany ka niantso ny lehiben’ireto polisy voasazy ireto. Nidina teny an-toerana tokoa ireto farany raha araky ny loharanom-baovao saingy efa lasa ilay olona nitondra fiara manga izay voalaza raha araka ny fanadihadiana natao fa tena polisy tokoa ary mety ho tena olona ambony ao amin’ity sehatra ity.
T.M.