Maty tsy tra-drano ity raim-pianakaviana iray efa mamo raha namono tena tao ambany kodiarana kamiao, sendra nandalo tao Anjoma manamorina iny orinasa “Gallois” iny tokony tamin’ny 3 ora sy sasany tolakandro teo. Araka ny fanazavana dia mbola nandeha tsara ity rangahy ity raha nivoaka ny lalam-pasiky Depot II nihazo ny lalana tara mihazo ny “rond point” Canada. Nanaraka ny sisin-dalana tsara ity rangahy ity na efa mamo aza nandritra izany, saingy gaga ny nanatri-maso ny raharaha fa nitsoraka tao ambany kodiara tampoka ilay rangahy vao nahita kamiao nandalo teo akaikin’ny orinasa “Gallois”, satria maromaro ny kamiao nitandahatra teo vokatry ny fitohanan-dalana. Araka ny fanazavana voaray dia mety noho ny famoizam-po ny hasarotam-piainana niainany isan’andro no antony, satria izay hatrany ny teniny teo am-pisotroana hoy ireo niara-nisotro zava-mahamamo taminy tao Depot II. Ny olona anefa dia tsy misy mahafantatra ny fianakaviany ireo mahalala azy mba ampahafantarina izao loza manjo azy izao. Vokatra izany dia napetraka tao amin’ny tranom-patin’ny hopitalibe ny razana raha tsy nahitana taratasy milaza momba azy tany am-paosin’ity rangahy namono tena tao ambany kodiarana kamiao ity.
Malala Didier