
Hatolotra ny fitsarana anio ilay vazaha voasambotra teny Analamahitsy Cité. Teratany vahiny iray 46 taona no voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria Analamahitsy ny alarobia tokony ho tamin’ny 1 ora antoandro, teny Analamahitsy Cité, noho ny resaka halatra miharo herisetra. Naharay antso ny polisy fa misy lehilahy nandroba ny « cash point Mvola » iray teo Analamahitsy Cité. Fotoana fohy dia tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana nijery ny zava-nisy ary nisambotra ity rangaha ity. Araka ny fanadihadiana natao dia niditra tao amin’ity toerana fangalana vola izy nilaza fa hoe haka vola 2.000.000 ariary. Rehefa tafiditra tao anefa izy dia namoaka « Taser électrique » hamelezana ilay ramatoa fa tsy nahavoa azy anefa izany. Afaka nandositra ilay ramatoa ary niantso vonjy tamin’ny manodidina ka afaka nanenjika sy nitazona ity jiolahy ity. Tonga ara-potoana anefa ny polisy ka afaka nisoroka ny fitsaram-bahoaka saika nahazo ity teratany vahiny ity. Noho ny maha vahiny azy sy ny pitsopitsony amin’ny taratasy no antony anolorana ny fitsarana azy androany.
Yv Sam