Ny maraina dia efa tonga tao amin’ny fampanoavana i Clémence Raharinirina sy Lucie Vololoniaina ary ireo mpanolon-tsainan’ny kaominina hafa izay voarohirohy amin’ny raharaha fanalam-baràka tamin’ny haino aman-jery. Tokony ho tamin’ny dimy ora sy sasany izy ireo no noraisin’ny fampanoavana izay nandefa avy hatrany ny dosie ho eo anivon’ny mpitsara mpanao famotorana. Hatramin’ny ora nanoratana ny lahatsoratra (amin’ny valo ora sy sasany alina) dia mbola tsy nanomboka ny fihainoan’ny mpitsara mpanao famotorana ireo olona fito. Ankoatra azy roa vavy dia voarohirohy ho mpiray tsikombakomba i Papalala, Ezekiela, Célestin, Lova, Roberto ary Thierry. Io farany raha araka ny fantatra dia mpitarika ny mpanolon-tsaina TIM eo anivon’ny kaominina. Hampitaina manaraka ny fivoaran’ity raharaha ity.
D.R