Omaly tokony ho tamin’ny dimy ora sy sasany hariva no nitranga ny firehetana. Soa fa mba efa dila elaela ny ora firavàna ary nanomboka efa tsy dia nisy olona intsony. Toeram-pivarotana fitaovana informatika iray no nirehitra. Kila tanteraka ary tsy nisy entana azo noraisina intsony raha araka ny tatitry ny mpamonjy voina. Vetivety ihany na izany aza dia voafehy ny afo, tsy nisy ora iray dia efa maty tanteraka ny afo. Hatreto dia tsy mbola fantatra mazava ny anton’ny firehetana, na izany aza mety azo heverina ny fifampikasohan’ny herinaratra na « court-circuit ». Tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy, raha araka ny loharanom-baovao teo anivon’ny mpamonjy voina hatrany. Tsy voalohany no nisy firehetana tao amin’ireo toeram-pivarotana ao Behoririka. Nisy fotoana aza niparitaka tamin’ny toeran-kafa izany ary tena nanahirana ny famonoana ny afo ary tena nidangana ny fahavoazana satria kila avokoa ny entana samihafa. Atahorana hatrany ny firehetana amin’ny toerana ivondronan’ny mpivarotra marobe toa ireny. Ilaina ny fisian’ny etona mpamono afo isaky ny fivarotana na koa teknolojia hafa manaraka ny toetry ny andro mba hahafahana mahafehy faran’izay haingana ny afo, mandram-pahatongan’ny mpamonjy voina. Toeram-pivarotana efa ho an-jatony mahery no ao an-toerana ary entana mora mirehitra avokoa no saika hita ao. Soa fa mba voafehy haingana aza ny afo ka tsy nihitatra tamin’ity tranga niseho omaly ity.
D.R