- Publicité -
mardi, juillet 15, 2025
AccueilFaits-DiversTanamakoa-Toamasina : Mitam-basy sy mandeha scooter, lasan’ny jiolahy ny Ar. 103 tapitrisa

Tanamakoa-Toamasina : Mitam-basy sy mandeha scooter, lasan’ny jiolahy ny Ar. 103 tapitrisa

Raha nangingina ny fanafihana ara-bola teto Toamasina tato ho ato izay indrindra taorian’ny volana janoary teo, noho ireo ezaky ny mpitandro ny filaminana nisambotra ireo jiolahy voaroy tamin’izany teo aloha teo, dia lasa miverina mirongatra izany amin’izao fotoana izao. Tranga iray no niseho tao Tanamakoa tao izay nahalasanana vola 103 tapitrisa ariary ary nitranga andro misandratra andro tokony tamin’ny 10 ora sy 15min teo, ny herinandro nivalona iny. Raha ny fanazavan’ireo nanatri-maso ny zava-nitranga dia jiolahy efa-dahy nitondra moto scooter samy nanao taingin-droa ary samy mitondra fitaovam-piadiana tsy manao saro-tava saingy kosa manao ireny aroloha fitondra amin’ny moto misarona tanteraka ireny. Efa narahan’izy ireo ilay fiara mitondra ka notifirin’izy ireo avy ao aoriana ny fitaratra ilay fiara. Tampoka izay dia efa jiolahy roa no teo amin’ny varavaran’ilay fiara amin’ny andaniny roa, ireo roa hafa kosa tsy niala teo ambony môtô niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana teny aminy. Tsy tapitra izay dia lasan’ireto jiolahy ny vola tao anaty sakosy saika haterina teny amin’ny banky, izay voalaza fa mitotaly 103 tapitra ariary izany vola izany. Taorian’izay dia nitsoaka nihazo ireo lalam-pasika nanakaiky ilay toerana nandravan’izy ireo ny vola ireo jiolahy efatra ka nanjavona izay tsy nahazoam-baovao intsony hatreto. Nambaran’ireo nahita ny zava-nitranga dia ny fitohanan’ny lalana vokatry ny posy be loatra no sakana tsy nahafahan’ireo mpitandro ny filaminana tonga ara-potoana. Tonga ihany ireo mpitandro ny filaminana saingy efa tsy hita nanjavonana ireo jiolahy efatra nahavita izany ; eo am-pikarohana ireo nahavanon-doza ireo mpitandro ny filaminana amin’izao.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici