dimanche, avril 20, 2025
AccueilFaits-DiversAnjozorobe : Mpitondra môtô nosakanan’ny jiolahy nitam-basy

Anjozorobe : Mpitondra môtô nosakanan’ny jiolahy nitam-basy

Tsy lavitra akory fa teo amin’ny 20 kilaometatra miala ny tampon-tanànan’Anjozorobe, lalana mizotra miakandrefana ho any amin’ny kaominina Ambatomanoina iny. Ny alahady lasa teo, mpitondra môtô iray, hihazo an’Anjozorobe no lasibatry ny andian-jiolahy nitam-basy. « Kely foana no tsy nahavoatifitra ahy. Avy hatrany aho mantsy dia nitsoraka tamin’ny tany raha vao hitako nankaty amiko ny vava basy », hoy ny fitantaran’ity tovolahy niharan’ny fanafihana ity.

Somary mangina sy vitsy mpandeha ihany izany lalana izany, tamin’io fotoana io, tokony ho tamin’ny iraika ambin’ny folo latsaka fahefany antoandro teo ho eo. « Avy nanatitra ny zandriko tany Ambatomanoina aho, ary efa an-dalana hiverina ». Teo amin’ny toerana antsoina hoe sampanan’i Mahavelona no nandrasan’ireto andian-jiolahy ireto, ity tovolahy ity, izay marihina fa nandeha irery ary nitondra môtô. « Nasain’ny anankiray tamin’izy ireo nijanona aho, saingy notohiziko ihany ny lalako, na dia efa nisy fandrahonana ho faty sy hotifirina aza. Nisy anankiray nipoitra tampoka avy any ary nampianjera ahy nony avy eo ». Tamin’io fotoana io ihany moa dia nasain’izy ireo nandoahalika ity tovolahy ity ary norahonana hamoaka ny vola rehetra tany aminy. « Tsy nisy afa-tsy sakaosy nisy ny antontan-taratasy rehetra mahakasika ahy sy ny finday anankiroa no anatin’izany ary vola kely ihany. Tsy nety nino ny tsy fisian’ny vola taty amiko moa ry zalahy ary efa handeha hitifitra », hoy hatrany ny fitantarany.

Tamin’izay fotoana izay anefa no sendra naheno môtô iray handeha hizotra niankandrefana ireto olon-dratsy ary nitsoaka toy ny tsy teo. « Nanaraka an-dry zalahy aho ary nangataka ny hamerenan’izy ireo, ireo antontan-taratasy, saingy tifitra avy hatrany no setrin’izany ». Soa ihany fa nahay niala ity farany. Hany herin’ilay tovolahy dia namelona ny môtô ary nitsoaka niala teo. Marihina fa rehefa tsy nahazo izay notadiaviny ireto olon-dratsy dia ilay sakaosy teny amin’ilay tovolahy no nalainy. Tamin’io ihany moa dia nampandre ny zandary tany an-toerana ity olona lasibatry ny fanakanan-dalana ity. Efa eny am-pelatanan’ireo tompon’andraikitry ny filaminana kosa ny raharaha. 

Manomboka miha-miverina indray ny tsy fandriam-pahalemana any amin’iny tapany avaratry ny renivohitra iny. Saingy efa manao ny ainy tsy ho zavatra ihany koa ireo tompon’andraikitry ny filaminana, indrindra fa ireo eo anivon’ny fibaikona ny zandary mifehy izany faritra izany, entina mitazona izay fahalemana izay. Hany ka na dia nisy aza ireo tranga vitsivitsy, toy ireo fakàna an-keriny isan-karazany, dia efa maro ihany koa ireo olon-dratsy voasambotra ary nisy mihitsy aza ireo namoy ny ainy.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici