Tao anatin’ny 20 taona dia tsy nisy mihintsy ny fijerena ny fanarenana sy fanamboarana ny lalam-pirenena faha-05, izay mampitohy ny tananan’i Toamasina renivohitra amin’ny faritra Analanajirofo. Raha jerana ilay lalana ny ampahany voalohany hatreo Mahavelona Foulpointe dia tena lavadavaka sy potika tanteraka izany lalana izany na efa nisy fanamboarana izany tamin’ny fanampitampenana lavaka izany ny taona 2018; ny ampahany faharoa miainga eo Mahavelona Foulpointe hatrao Fenerivo atsinanana dia ny lalana 03Km hatrao Antsikafoka no tena potika be ary tena manahirana ny mpampiasa izany. Ilay fanamboaran-dalana manomboka eo Soanierana Ivongo hatrao Vahibe kasain’ny fanjakana natao dia tsy hita ny tohiny hatramin’izao, na ilay fanarenana ireo lalan-tany natao aza efa niverina lalam-potaka mandrevo tahaka ny teo aloha ankehitriny. Tsy vitan’izany ihany fa velon-taraina ihany koa ireo mponina sy mpampiasa ny lalana mihazo ny lalam-pirenena faha-22 mihazo an’i Vavatenina sy Anjahambe mirefy 36Km. Raha ara-tantara dia tamin’ny repoblika voalohany no efa nanamboarana izany lalana izany, nefa hatramin’izay dia tsy nisy ny fanatsarana sy fanamboarana taminy, hany ka tena potika ilay lalana 60 aty aoriana. Na izany aza dia efa nahazo vola sy fitaovana ny faritra Analanjirofo ahafahany manamboatra ireo foto-drafitrasa, nefa tsy ao anaty fandaharam-potoan’ny governora ny fanatsarana izany lalam-pirenena faha-22 izany.
Malala Didier