- Publicité -
dimanche, juillet 27, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBefandriana Avaratra : Dahalo 20 nandroba omby 83, tafaverin’ny zandary

Befandriana Avaratra : Dahalo 20 nandroba omby 83, tafaverin’ny zandary

Notafihin’ny dahalo efa ho 20 lahy ny tao Andohan’Ambala, kaominina Ambanivohitra Antsakanalabe distrikan’i Befandriana avaratra ny alin’ny 1 mey lasa teo, izay nahaverezana omby manodidina ny zato. Lehilahy iray antsoina hoe Somotra no matin’ireo dahalo nandritra io fanafihana io. Araka ny fanazavana, anisan’ny tompon’omby ny tenany sady mpitarika mafana fo momba ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana tao an-toerana. Mpikambana anatin’ny Dina Malainkalatra izy io. Fianakaviana telo no voadoro trano ka tsy manan-kialofana ankoatra ireo voaroba fananana. Tsy niandry ela noho izany fa nanao avy hatrany ny fanarahan-dia ny zandary sy ny fokonolona. Ny 2 mey tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro, votsotra teny am-pelatanan’ny olon-dratsy ny omby 83 tamin’ireo omby ireo vokatry ny asan’ireo zandary sy ny fokonolona ary ny fanampian’ny tamin’ny faritra manodidina. Fantatra fa tao Marokoera, kaominina Ambanivohitra Anjalazala, distrikan’Antsohihy, Faritra Sofia no nahararaka izany. Tsy nisy ny fifandonana mahery vaika fa rehefa nahatazana ny hamaroan’ny zandary sy ny fokonolona ireo dahalo dia vaky nandositra ary navelany ireo omby. Nidina tany an-toerana ny Kaomandin’ny vondron-tobim-paritra Mandritsara, ny Kapiteny Tobiasy Andriantsihoarana, nankahery ireo niharam-boina. Nisaotra ny ezaka nataon’ny fokonolona tamin’ny fiaraha-mientana sy ny fifanomezan-tanana, tamin’ny alalan’ny « Tagnamaron’ny fandriam-pahalemana » ka nahazoana ny vokatra. Nanome toromarika manokana ireo zandary nanara-dia sy niandraikitra ny fiambenana ny tanàna, mba tsy hiverenan’ny tranga intsony amin’ny ho avy, ny Kapiteny Tobiasy Andriantsihoarana. Ny 4 may lasa teo no nidina tany an-toerana nitrangan’ny fandravana ny Lehiben’ny distrikan’i Befandriana Avaratra sy ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritra Mandritsara. Ny Kapiteny Tobiasy dia nanamafy ny fanentanana amin’ny tagnamaron’ny fandriam-pahalemana ny tenany ary nampitandrina ireo vondron’olona mitarika korontana sy tsy fandriam-pahalemana any an-toerana, amin’ny fanafarana andian-jiolahy avy any ivelany. Namaly ny fangatahan’ny vahoaka ny hamerenana indray ny « Poste Fixe » ao Maevaloka, fokontany Maevalakana, kaominina ambonivohitra Antsakanalabe, distrikan’i Befandriana Avaratra Avaratra, rehefa foana nandritra ny telo taona, vokatry ny fankahalana zandary sy tsy fitiavana fanjakana, fa ny rafitra Besaboha tsy mila fanjakana no nanjaka tamin’io toerana io sy ny manodidina. Nametrahana zandary efatra any an-toerana hisahana izany Toby izany.

Yv Sam

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici