
Nandritra ny fisavàna ireo fiara mivezivezy, mpindrana an’iny lalam-pirenena faharoa iny, miditra sy mivoaka an’Antananarivo, no nahatratarana fiarabe iray nampiahiahy, tetsy Ambatolaona, ny alarobia maraina lasa teo, nitondra toaka gasy na toaka voarara aman’arivony litatra. Noezahin’izy ireo nafenina niaraka tamin’ny bidon nisy menaka izy ireo.
Araka ny tati-baovao avy amin’ny zandary, dia avy any amin’iny distrikan’i Brickaville iny ireto toaka ireto ary saika hoentina aty an-drenivohitra. Ny mpamily izay nosamborina avy hatrany taorian’izao moa dia nilaza fa «entana nalefan’olona tao Ampasamadinika Brickaville izy ireo ary misy mandray eto Antananarivo ». Fantatry ny mpamily tsara teto fa toaka voarara ireto entana ho entina ireto kanefa dia mbola nentina ihany. « Tamin’ny fotoana nanontanian’ireo zandary azy aza dia mbola nilaza izy fa menaka no entin’izy ireo ». Rehefa natao anefa ny fisavàna hatramin’ny faran’ny kely indrindra dia hita tao fa niova loko sy fofona ireo « menaka tao anaty « bidon », ary tra-tehaka teo ny nafenina. Tamin’io fotoana io ihany dia nosamborina ity mpamily ity, niaraka tamin’ny olona roa hafa tao anatin’ilay fiarabe : ny mpamily fanampiny ary ny mpanampy azy ireo. Nogiazana ihany koa ireto toaka izay mitotaly teo amin’ny 1740 litatra ireto, natao tao anaty bidon am-polony maro.
Rehefa notohizana hatrany ny fanadihadiana dia nopaingorina taty an-drenivohitra ihany koa ny olona roa, izay voalaza fa tokony handray ireto entana ireto. Nahatratra dimy araka izany ireo olona voarohirohy tamin’ity trafika ity, natao fanadihadiana ary hatolotra ny Fampanoavana aorian’izay. Nampidirina am-balam-pamonjàna kosa ilay fiarabe.
Tsara marihina fa voararan’ny lalàna ny mamokatra, mitondra ary mivarotra ireo toaka voarara ireo, araka ny lalàna ankapobeny mifehy ny hetra. Misy ny lamandy aloha amin’izany raha mandika azy io : iray alina ariary isaky ny litatra, kanefa tsy misakana velively ny fanolorana ireo olona voarohirohy eo anoloan’ny Fampanoavana izany, saingy mampihena fotsiny ny sazy mety hahazo azy ireo. Raha ho an’ireto olona tratra ireto araka izany dia mitentina eo amin’ny 17 tapitrisa ariary mahery eo ho eo ny lamandy tsy maintsy alohan’izy ireo amin’ny fanjakàna. Ireto toaka aman’arivony litatra ireto kosa dia tsy maintsy hodorana eo anolohan’ny tompon’andraikitra mahefa, araka ny voalazan’ny lalàna hatrany.
m.L