Tonga nanolotra fanampiana ho an’ireo zaza kamboty tany amin’ny « Orphelinat De La Police Nationale » Ambatolampy ny fikambanan’ny « Koweitian » na ny « Comité Continent de l’Afrique » ny alakamisy 18 septambra 2014. Izay notarihan’ny filohany Andriamatoa Nassar AL Abdoul Jalil sy Ramatoa OUM Mariam ; izay tomponandraikitra voalohany amin’ny « Enseignement Superieur et Social de l’Afrique » sy ireo mpiara-dia aminy. Menaka 04 boritra, vary fotsy 08 gony, ronono Nestlé 04 boritra, Cahier isan-karazany 06 paquets no natolotra tamin’izany. Tonga nanotrona sy nanome voninahitra an’ity fotoana ity ny vadin’ny minisitry ny Filaminam-bahoaka Ramatoa Randimbisoa Bako izay sady filoham-boninahitry ny Fikambanan’ny Vehivavy Vadina Polisy sy Vehivavy Polisy eto Madagasikara.
Nassar Abdoul Jalil no nanamafy fa vonona izy ireo hitondra fanampiana maharitra ho an’ny Toby Fitaizana Zaza Kamboty ; izay sahanin’ny Polisim-pirenena ; ary hanamafy ny zavatra efa nataon’izy ireo hatramin’izay. Ramatoa OUM Mariam kosa dia nilaza,fa ao anaty fandaharan’asan’izy ireo izao hetsika izao ka tsy hisalasalana ny fanatanterahana azy. Nitondra ny teny fisaorana Ramatoa vadin’ny Minisitra ary nilaza ny fankasitrahany feno ny « Comité Continent de l’Afrique ».Tsy nisalasala izy nilaza ny firariany, mba hihatsaran’ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny fikambanan’ny « Koweitian »(Comité Continent de l’Afrique). Marihana fa tsara ny vokatra azon’ireo ankizy beazina tamin’iny taom-pianarana 2013 – 2014 lasa teo iny : C.E.P.E : 100%, B.E.P.C : 65%, ny B.A.C. kosa dia mbola andrasana, nefa matoky ny mpanabe fa ho 100% ny vokatra !