Ny alarobia hariva teo, tokony ho tany amin’ny 7 ora sy sasany, notafihana jiolahy dimy nitondra basim-borona sy antsy maranitra, ny trano fivarotana iray teny amin’ny faritra Ankadikely. Lasan’ireo mpandroba avokoa ny vola maty tamin io andro io niaraka tamin’ny telefaonina dimy. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa, tsy mbola nihidy ny tsena tamin’io ora io ary mbola nisy mpanjifa. Niditra ohatran’ireny mpividy ireny ireo bandy. Raha vao tao an-trano ry zalahy dia nanambana basy ny tompon-trano. Teo anatrehan’izany, tsy afaka nihetsika, fa dia nanatanteraka izay nangatahan’ireo jiolahy fotsiny. Tamin’izay no nahalasanan’ ny vola. Voalaza fa tsy naharitra ela ireto olon-dratsy ireo fa vetivety ihany no nijanona tao. Raha vao azony izay notadiaviny dia lasa nandeha izy ireo, taorian’izany vao niantso vonjy tamin’ny manodidina ireo voatafika. Samy gaga ny rehetra, satria tsy nisy nahatsikaritra ity fandrobana ity. Tsy nisy ny basy nipoaka tamin’ity indray mandeha ity ary voalaza fa tsy naninona ilay mpivarotra. Nampandrenesina ihany koa ny zandary teny an-toerana. Efa tsy hita intsony anefa ry zalahy. Mandeha ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao hikarohana ireo jiolahy. Lasa fanaon-dry zalahy indray izao ny manafika harivariva ka. ny fivarotana no tena lasibatra amin’izany.
r.s.