Tsy very an-javony aloha hatreto ny ezak’ireo zandary, mamongotra ireo mpambotry firenena.
Tsy very an-javony aloha hatreto ny ezak’ireo zandary, mamongotra ireo mpambotry firenena. Araka ny vaovao voaray mantsy, momba an’ilay resaka volamena amam-polony kilao tratra tetsy amin’ny Seranam-piaramanidina Ivato, ny 12 septambra teo dia fantatra izao fa natolotra ny Fampanoavana omaly ireo olona 18 voarohirohy. Raha ny loharanom-baovao hatrany dia lehilahy iray amin’izy ireo ihany no nalefa eny Antanimora vonjimaika, miandry ny fotoam-pitsaràna azy. Ity rangahy, 40 taona, teratany malagasy, mitonona ho mpandraharaha ity mantsy hatreto, araka ny voalazan’ireo mpanao famotarana hatrany, no voalaza fa tompon’ireo volamena ireo. Ary voasambotra ny andron’iny fahatratrarana an’ilay volamena iny ihany izy, noho ny fisian’ny vaovao avy amin’ny olona tsara sitrapo teny an-toerana, raha handeha hitsoaka any ivelany, araka ny loharanom-baovao hatrany. Raha tsiahivina tokoa iny raharaha iny,ny zoma teo no saron’ny zandary teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny volamena 22 kilao, saika haondrana any Chine. Efa tsara pirina tao ambany seza ireo bolongam-bolamena ireto, ora maromaro talohan’ny niaingan’ny fiaramanidina MD 10, sidina hoany Bangkok sy Guangzhou. Mbola tsy fantatra mazava tamin’io ora sy fotoana io ny tena tompon’ireto bolongam-bolamena ireto. Nefa noho ny fisian’ny mpanome vaovao dia fantatra ihany izany fotoana fohy monja taty aoriana. Olona am-polony maro no nohenoina tamin’ity raharaha ity ary ny iray voalaza fa tompony no io nampidirina am-ponja vonjimaika io. An’ny Fitsarana indray aloha izany hatreto ny baolina, raha mbola hisy na tsia ny fitohizan’ny fanadihadiana mikasika an’iny raharaha iny. Raha ny voalaza hatramin’izay mantsy dia toa hoe misy terantany vahiny, miafina ao ambadik’io trafikana volamena io ary mety ho tambajotra matanjaka mihitsy. Maro amin’ireo mpanara-baovao no mety hametram-panontaniana ny mikasika ireo volamena, miteti-bidy amina miliara ireo, hoe aiza izy ireo amin’izao fotoana izao ? Raha ny fantatra, voalazan’ny loharanom-baovao marim-pototra, dia mbola any am-pelantanan’ireo nahasarona azy ireto bolongam-bolamena ireto hatreto. Miandry ilay didin’ny Fitsarana ho famihinanana sy hanolorana azy ireto ho an’ny Fanjakana, na ilay antsoina hoe « décision de confiscation »
m.L