- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Mpivarotra nisy nanafika, Ar. 3 tapirisa lasan’ny jiolahy

Antsirabe : Mpivarotra nisy nanafika, Ar. 3 tapirisa lasan’ny jiolahy

Tokatranon’ny mpivarotra iray, “quincaillerie”, monina ao Antanivao, no nisy nanafika. Lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny vola maty iray andro mitetina 3 tapitrisa ariary. Efa somary maizina ihany ny amin’ny 6 ora sasany hariva amin’izao, ora nahatongavan’ireo olon-dratsy nanafika ny faran’ny herinandro lasa teo tao Antanivao Antsirabe. Nihanika tamboho ireo jiolahy efa dahy, tsy misaron-tava fa ny iray no nanao arovava, nanao be miditra tao an-trano. Antsy maranitra lava lela no fitaovana teny an-tanany, hoy ny niharan’ny fanafihana. Nalainy avokoa ny finday rehetra tao an-trano, rehefa izany dia nitaky vola 8 tapitrisa ariary izy ireo. Tsy misy izany 8 tapitrisa ariary izany ato, hoy ny tompon-trano. Izay misy omena, hoy ireo jiolahy, fa fantatray fa misy vola ato aminareo. Tsy nisy sahy nanohitra ny tao an-trano fa dia nanome izay notakian’ireo jiolahy. Ankoatra ny vola sy finday dia solosaina entin-tanana iray no nobatain’ireo olon-dratsy, saingy tsy zakany dia nariany teny an-dalana. Niantso vonjy ny fianakaviana rehefa lasa ireo jiolahy, niezaka nanaraka ny dian’ireo jiolahy, ka ny alin’io ihany dia voasambotra ny ny iray nifanenjahana tao Andranosisy, saingy tao Andranomafana vao voasambora ary efa nisolo akanjo hafa ranamana. Teo no niantombohan’ny fanadihadiana ka fantatra fa tsy iza no tompomarika tamin’ny fanafihana sy ny fanomezana ny vaovao rehetra fa mpanampy tao an-trano ihany. Ity farany no manome toromarika ireo jiolahy sy nilaza fa misy vola 8 tapitrisa ariary tao amin’ny mpampiasa azy. Roa lahy izany no voasambotra hatreto. Fantatra fa any any Bemaha ilay jiolahy iray voasambotra. Tsikaritra somary nirongotra ny vaky trano sy hala-botry teto Antsirabe tato ho ato ary saika ireo mpivarotra no tena lasibatra amin’izany.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici