- Publicité -
jeudi, août 21, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohimasina Betafo : Kamiao mpanangom-bokatra nosakanan’ny jiolahy

Ambohimasina Betafo : Kamiao mpanangom-bokatra nosakanan’ny jiolahy

Fiara lehibe iray mpanangom-bokatra no nisy nanafika omaly Alarobia maraina be tokony ho tamin’ny 3 ora sy sasany. Teo amin’ny tetezana antsoina hoe Kelisoa no nisehoan’ny fanakan-dalana. Avy hatrany dia tifitra vary raraka no nataon’ireo jiolahy , niharo tora bato ihany koa. Tsy nisy azon’ny mpamily natao fa saika nivadika mihitsy ny fiara raha naka sisiny tamin’ny lalana. Fantatra fa fiara nikasa haka entana ao Ambohimasina ity nisy nanafika ity. Ankeviny efa fantatr’ireo olon-dratsy noho izany fa misy vola be miaraka amin’ity fiara ity. Ny tompon’ny fiara no mpamily niaraka tamin’ny ramatoa vadiny. Saika tsy homen’ity farany ny vola notakian’ireo jiolahy ka voadaroka mafy tamin’ny vody basy ilay ramatoa raha ny fanazavana voaray tany an-toerana. Naratra mafy ity farany ary mbola manaraka fitsaboana any hopitaly hatramin’izao rah any angom-baovao farany. Vola saika hividianana entana mitetina 9 tapitrisa ariary no lasan’ny jiolahy, tsy vitan’izany fa mbola nalain’ireo jiolahy ihany koa ny lebiera roa cageot tao anaty fiara. Ankaotra ilay ramatoa naratra dia nisy dokera iray ihany no voalaza fa naratra mafy vokatry ny tora bato.

Andry N

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici