Mitaintain-dava ny olona amin’izao; izay mahatsiaro ho tsy voaaro intsony raha ny tranga tato ho ato no asian-teny. Afak’omaly hariva tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany, tetsy amin’ny 67 ha Atsimo amin’ny lalana mihazo an’Ampasika miala tsy lavitra ny « Arrêt 30 », dia mpanao gazety iray handeha hody no lasibatry ny sinto-mahery tao anaty taxi-be nandehanany. Very tamin’izany ny finday avo lenta. Raha mbola variana niresaka tamin’olona tamin’ny findainy ity mpanao gazety ity izay mipetraka teo am-povoany amin’ny « devant » tamin’ny fiara nadehanany tao anaty fitohanana, dia nisy nisintona tampoka ny finday teny an-tanany. Nivoaka ny fiara nandehanany ity mpanao gazety ity ka nanenjika ilay mpangalatra, nefa ity farany nitsofoka tany an’elakelan-trano sady maizina ka nadio ny rano nitana. Nanampy trotraka izany ny fahatapahan-jiro teny an-toerana tamin’io andro io.
Manitrisa
Mpanao gazety voaendaka
Articles qui pourraient vous intéresser