- Publicité -
samedi, août 23, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversArivonimamo : Vehivavy bevohoka tratra nisoloky

Arivonimamo : Vehivavy bevohoka tratra nisoloky

Roa vavy izy ireo no voasambotra. Ny iray, mitondra vohoka efa ho dimy volana. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisy dia efa rain-dahiny tanteraka amin’ny resaka fisolokiana izy ireo, ary efa tambajotra iray matanjaka mihitsy.

Ny zoma lasa teo ireto andiam-behivavy ireto no tra-tehaky ny pôlisy tao Arivonimamo. Ny fomba fiadiny dia ilay hoe nahita vola latsaka ary hifampizarana amin’ilay nahita, kanefa tetika hanjonona ireo lasibatra amin’ny alalan’ny fandraikirekena izany, entiny maka ireo vola sy zavatra sarobidy rehetra any amin’io olona io. Raha ny teto an-drenivohitra dia efa maro ireo nitaraina fatratra fa efa voan’ireto olona ireto, ary tsy nisy azo natao intsony fa dia mananatra ireo hafa mbola tsy sendra azy sisa. Tamin’io andro io, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisy hatrany dia niriaria tao an-tsenan’Arivonimamo tao izy ireo. Vehivavy iray, mpiasan’ny kaominina tao an-toerana no saika lasibatra.

Ny zava-nisy. Lehilahy iray naman’izy ireo ihany koa no mody misongona ity farany, ary nandatsaka vola iray alina ariary sy taratasy kely mifono zavatra. « Ireto vehivavy roa nanaraka avy ato afara ary nilaza tamin’ilay vehivavy mba hifampizara ilay vola ary nentin’izy ireo mba hanatona fiara sprinter iray efa nijanona teo akaikaiky teo. Araka ny filazan’ilay vehivavy nokasaina hosolokiana dia ohatra ny olona very saina izy ka nanaraka mora fotsiny. Rehefa nanakaiky ny fiara anefa dia tonga saina tampoka izy ka afa-nandositra ». Tamin’izy nandositra iny no avy hatrany dia niantso pôlisy tsy lavitra teo.

Efa nikasa ny hanao zava-dratsy mihitsy ireto roa vavy tamin’io fotoana io, satria raha vao nahita ireo pôlisy nanatona azy ireo dia vaky nitsoaka ary nifanenjehana tanaty olona mihitsy. Tsy ela dia voasambotra moa, ilay bevohoka ary nanaraka azy mora foana ilay namany. Ilay lehilahy mpiray tsikombakomba tamin’izy ireo kosa dia mbola ifampitadiavana hatreto. Nentina natao famotorana avy hatrany tany amin’ny biraon’ny pôlisy ireto roa vavy ireto ary kasaina hatolotra eo anivon’ny Fampanoavana anio.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici