Efa velona ny fifampitorahana teo amin’ireo mpivarotra amoron-dalana sy ny Emmoreg omaly, tetsy amin’ny Petite Vitesse. Nanatanteraka fanadiovana ny tanana mantsy ny avy ao amin’ny CUA, ka anisan’izany ny fanesorana ireo mpivarotra amoron-dalana, nanomboka tany Tsaralalàna, Petite Vitesse ary Soarano. Tsy nanaiky mora izany fanesorana azy ireo amin’ny asa fivelomany izany moa ireto mpivarotra ireto iny maraina iny, ka nilanja sorabaventy sy nitangorona ary nihorakoraka. Efa velona mihitsy ny tora-bato nihatra tamin’ireo fiaran’ny mpitandro filaminana tonga teny an-toerana. Tapaka tanteraka teo amin’ny ora iray maninjitra teo iny lalana mihazo ny Petite Vitesse sy Tsaralalàna iny omaly maraina. Avy hatrany moa dia nilatsaka teny an-toerana ny Emmoreg taorian’io tranga io, niezaka nandrava ity fihetsiketsehan’ny mpivarotra ity ary namerina nandamina ny fifamoivoizana. Tsy nisy fisamborana, tsy nisy ihany koa faharatrana, fahasimban-javatra na fandraofana entana nandritra io hetsika omaly io. Nalaky nilamina ihany mantsy ireto mpivarotra ireto rehefa navela hivarotra. Saingy kosa, araka ny vaovao voaray dia nomen’ny Kaominina fepotoana izy ireo hialàna amin’ireo toerana ireo.
m.L