- Publicité SW45 -
vendredi, octobre 18, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbato boeny : Dahalo roa maty voatifitra

Ambato boeny : Dahalo roa maty voatifitra

Nitrangana halatr’omby tao amin’ny tanànan’Ankaraobato – Ambato Boeny ny 14 desambra lasa teo. Telolahy mitorngo basim-borona no nangalatra omby 4, tokony ho tamin’ny 5 ora hariva. Nahare izany ny zandary avy ao amin’ny “Peloton Mobile Porté N° 42” avy any an-toerana ka nanao fanarahan-dia an’ireo malaso. Rehefa tonga tao amin’ny toerana anelanelan’Antanambao sy Ankaraobato dia nifanehitra tamin’ny mpitandro filaminana ireo olon-dratsy. Nandositra avy hatrany anefa iretsy farany ka anao tifi-danitra ny zandary mba hampijanona azy ireo, saingy tsy nety fa mbola nirifatra ihany ry zalahy. Voatery nitifitra araka izany ny mpitandro filaminana ka maty ny roa tamin’ireo mpangalatr’omby. Ny fahatelo kosa, izay nitondra ny basy dia tafaporitsaka. Mandra-piandry ny tompony dia napetraka ao amin’ny valam-panjakana ireo omby tafaverina. Ireo dahalo roalahy voatifitra kosa dia nanaovana fizahana ifotony ka fantatra fa izany Lekinga sy Rasamy izany no anarany ary avy ao amina tanàna tsy dia lavitra eo ihany no fiaviany. Ny 15 desambra dia nalain’ny havany ny fatin’izy ireo, ary nentina any Ambato – Atsimo.

A.R.

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser