- Publicité -
lundi, mai 19, 2025
AccueilFaits-DiversFahafatesan’i Zafy Lindo tao amin’ny « violon » : Hitondra ny raharaha eny anivon’ny...

Fahafatesan’i Zafy Lindo tao amin’ny « violon » : Hitondra ny raharaha eny anivon’ny fitsarana ny fianakaviany

“Tsy jiolahy ny zanakay, fa olona mitady vola ara-dalàna ary izy no mpamatsy arina ireo trano fisakafoanana maro eto Toamasina. Anisan’ny nahatongavany teny amin’ny fiantsonan’ny taksibrosy izany, satria hanangona ireo vidina arina efa nateriny”. Izay no nambaran’ny fianakavian’i Zafy Lindo ao Antseranampasika. Nambaran’izy ireo hatrany fa manana finday avolenta ny tenany, saingy tsy hita izany tamin’ny nisamborana azy.

Afaka manadihady eny Antseranampasika ny mpitandro ny filaminana, fa olona tsy nanana olana tamin’ny fiaraha-monina misy azy ingahy Zafy Lindo izay namoy ny ainy tao anaty “violon” ny polisy ny 17 may lasa teo. Voalaza mantsy taorian’ny fitiliana nataon’ny mpitsabo ny BMH, fa “hémoragie interne” tamin’ny daroka nahazo azy no nitarika ny fahafatesany. Talohan’ny nandevenana azy ny zoma lasa teo dia nisy ny fitondrana ny razana teo anivon’ny hopitaly be hiatrika ny fandidiana ny lohany, entina hanamarinana ny “hémoragie interne” nahafaty azy.

Voalaza fa profesora mihintsy no nanao ny fandidiana izay natrehan’ny polisim-pirenena ary ny fianakavian’ny maty, araka ny fangatahan’ny tonia mpampanoa lalana ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina, ka hita tamin’izany ny vongan-drà vokatry ny daroka nahazo azy. Nanamafy ny kaomisera Rakotovao Jean Christian fa tsy fanaon’ny polisim-pirenena eto Toamasina izany fikasian-tanana olona voatazona anaty “violon” izany, nanamafy izany koa ireo olona niara-niditra “violon” tamin’ity rangahy maty ity fa tsy mikasin-tanana azy ireo izany ny polisim-pirenena.

Raha hiverenana ny olana dia nolazaina fa nangalatra finday teo amin’ny fiantsonan’ny taksibrosy, ka raikitra ny daroka natao tamin’i Zafy Lindo izay tovolahy 20 taona. Ankoatra izany dia nandoa ny tenany rehefa izy nitsangana iny ary izany dia nitarika azy ho torana tokony tamin’ny 04ora tolakandro izay nampidirana azy tao anaty fonjakelin’ny polisy. Taorian’izany dia niantsoantso ny mpiambina ireo niray “violon” taminy, ka vao nisokatra ny varavarana dia olona efa tsy nihetsika no hitan’ny polisy ary niezahana ny nitondra azy teny amin’ny hopitaly be. Tsy tonga teny amin’ny hopitaly be akory dia tapitra ny ainy, hoy ny kaomisera Rakotovao Jean Christian.

Nanamafy anefa ny fianakavian’ity tovolahy maty tao anaty “violon” ity, Zafy Lindo 20 taona, fa tsy hanaiky lembenana ny fianakaviny fa hitondra raharaha eny amin’ny fitsarana, nefa miandry ny fitorian’izy ireo ny fampanoavana.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici