- Publicité -
vendredi, septembre 18, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMpitaiza nangala-jaza : Mbola facebook koa no nandraisana azy hiasa  

Mpitaiza nangala-jaza : Mbola facebook koa no nandraisana azy hiasa  

Nitady asa avy amin’ny tambajotra sosialy. Teo no nahitàn’ireo mpivady ilay vehivavy mpitaiza zaza  izay indrisy fa mpangala-jaza. Mivoaka tsikelikely koa ny marina, toy ny hoe efa nisy antso nitaky vola ho solon’ny ain’ilay zaza tamin’ny fotoana nitazonana an-keriny azy. Efa hita avy amin’ny alàlan’ny fanarahana ny toerana niavian’ny antso ny nisy ilay zaza saingy tafaporitsaka mialoha tao ilay mpitaiza izay sady mpaka an-keriny izany. Raha tsy ny olona mampiasa ny tambajotra sosialy no nahatsikaritra teny an-dàlana dia mety mbola tsy hita ilay zaza izany. Sady manampy no mampidi-doza ny tambajotra sosialy. Eo no mila mailo ny mpampiasa azy, raha oharina amin’ity tranga hala-jaza sy fakàna an-keriny miaraka ity.

D.R

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici