Nitady asa avy amin’ny tambajotra sosialy. Teo no nahitàn’ireo mpivady ilay vehivavy mpitaiza zaza izay indrisy fa mpangala-jaza. Mivoaka tsikelikely koa ny marina, toy ny hoe efa nisy antso nitaky vola ho solon’ny ain’ilay zaza tamin’ny fotoana nitazonana an-keriny azy. Efa hita avy amin’ny alàlan’ny fanarahana ny toerana niavian’ny antso ny nisy ilay zaza saingy tafaporitsaka mialoha tao ilay mpitaiza izay sady mpaka an-keriny izany. Raha tsy ny olona mampiasa ny tambajotra sosialy no nahatsikaritra teny an-dàlana dia mety mbola tsy hita ilay zaza izany. Sady manampy no mampidi-doza ny tambajotra sosialy. Eo no mila mailo ny mpampiasa azy, raha oharina amin’ity tranga hala-jaza sy fakàna an-keriny miaraka ity.
D.R