- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversDRI Vakinankaratra : Fahombiazana ny hetsika « anjara hetrako »

DRI Vakinankaratra : Fahombiazana ny hetsika « anjara hetrako »

Mahasarika ny olona handoa hetra ny hetsika tahaka izao.

« Anjara hetrako ho fampandrosoana ny tananako » io no teny filamatra nentin’ny sampandraharahan’ny hetra  nanatanteraka ny hetsika iray lehibe nanentanana ireo mpandraharaha na mpanao fihariana majinika hiditra amin’ny sehatra ara dalàna  (secteur formel) amin’ny fandoavan-ketra. Nohamoraina tanteraka ny fomba fandoavan-ketra sy ny fepetra hahazoana ilay karatra, « carte fiscale ». Raha tsiahivina  dia taratasy fanamarinam-ponenana sy dika mitovy amin’ny kara-pandro miaraka amin’ny vola ariary 16000 dia afahana mahazo ny « carte fiscal » eo noho eo. Fahombiazana, izay no azo amehezana azy raha teto Antsirabe sy ny manodidina no resahina hoy Raelison Bary Lalao, lehiben’ny sampandraharahan’ny hetra mpisolo toerana eto Vakinankaratra, nisy rahateo ny fiaraha-mientan’ny mpiasan’ny hetra hoy ny fanazavany.

Raha 1000 no tanjona  nokendrana ho an’ireo mpadoha hetra vaovao  dia nihoatra lavitra noho izany  tratra  nandritra izay efatra andro nanaovana ny hetsika izay. Navitrika ny olona fa na andro tsy fiasana aza ny Alakamisy lasa teo dia maro ny olona nanefa ny adidiny. Mbola hitohy ny hetsika ka fantatra fa hiazo an’Ambohimandroso sy Ambatolampy indray ny sampandraharahan’ny hetra eto Vakinankaratra. Hisy kosa ny fitetezam-paritra hataon’ny ekipan’ny Foibem-pitantanana ankapobean’ny Hetra (DGI) eto amin’ny Nosy.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici