- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversFitifirana mpitantana « cashpoint » : Olona telo nosamborina tao an-tranony avy

Fitifirana mpitantana « cashpoint » : Olona telo nosamborina tao an-tranony avy

« Lehilahy miisa telo izay 21 taona, 23 taona ary 34 taona no voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria boriboritany faha-fito etsy 67 Ha ny alarobia teo. Izy ireo dia monina eny amin’ny fokontany Antsalovana, Antohomadinika-Arsimo ary III G Hangar », raha araka ny fampitam-baovaon’ny polisy. Izy ireo dia voarohirohy tamin’ny fitifirana ho faty ilay rangahy mpitantana « cashpoint » tetsy 67ha ny alin’ny talata 24 mey lasa teo. Raha tsiahivina fohy dia nandeha namonjy fodiana io rangahy 65 taona io no voatifitra tao anaty elakelan-trano ambadiky ny Sava Hotel, 67Ha-Avaratra. Tifitra izay tsy natao ampitahorana na koa andratràna fa kosa hamonoana ho faty. Porofon’izany, teo amin’´y lohany no nokendrena ary voa ka nahafaty tsy tsa-drano azy. « Araka ny filazan’ny zanany vavy dia teo amin’ny 10 tapitrisa ariary teo ny vola niaraka tamin’ny dadany tamin’io fotoana io ity no lasan’ireo jiolahy avokoa izany. Tamin’ny fanadihadiana dia fantatra fa efa telo andro ity rangahy tompona ´cashpoint’ ity no nisy nanara-maso sy nanaraka », raha araka ny fanadihadian’ny polisy misahana ity raharaha vonoan’olona sy fanafihana mitam-piadiana ity. Ny marainan’ny heloka bevava dia nisy olon-tsotra izay nampandre ny polisy. Ny antony dia satria nahatsikaritra olona maromaro nisavoritaka nizara vola izy ireo. Tao anatin’izay koa anefa no efa nisy ny fanangonam-baovao izay nataon’Ny polisy misahana iny boriborin-tany iny, izay niarahany tamin’ny polisy misahana ny heloka bevava. Nifanojo ny vaovao ary dia niditra tamin’ny fanaraha-maso sy fisamborana ireo mpitandro ny filaminana. Teo amin’ny fokontany manodidina ny 67ha ihany no nanatontosàna izany ary tao amin’ny tranon’ireo voarohirohy ho mpamono olona tsirairay avy. Natolotra ny fampanoavana omaly ireo telo lahy.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici