- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversHalatra zaza varira : Nifampitifitra ny zandary sy ny jiolahy

Halatra zaza varira : Nifampitifitra ny zandary sy ny jiolahy

Raikitra ny fifandonana ary tena nifampitifitra. Lavo ny jiolahy iray ary azo sambo-belona kosa ny iray hafa. Izany dia niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana nampiasain’izy ireo. Basy sy bala, raha araka ny fanampim-baovao ofisialy. Ny zandary ao Tolagnaro no niditra an-tsehatra ary nanampy azy ireo ny fokonolona tao an-toerana. Ilay zaza indray dia vao dimy taona monja ary nalaina an-keriny noho ny maha-varira azy. Toe-javatra izay miverimberina matetika any amin’ny faritra atsimo. Hatreto dia noho ny finoanoam-poana no tena antony mampirongatra ity halatra ity. Hatao sorona ireo zaza ary ny masony no tena ilain’ireo mpanao ody ratsy. Tsy eto ihany fa any Afrika koa dia misy firenena sasany mampirongatra ity asaratsy ity. Tsy fantatra mazava ny tena hampiasan’ireo « mpamosavy » ireo maso na dia mandeha aza ny feo fa hanaovana « masobe tsy mahita » no tena ilàna azy. Atahorana ankehitriny ny ain’ireo olona varira, indrindra ireo zaza. Efa betsaka izay na namoy ny aina na koa velon’aina ihany fa tsy misy maso intsony. Ny mety angamba dia arovana tanteraka ny ain’izy ireo dieny mbola velona aina tsara. Sady tsy dia betsaka rahateo ary azo atao tsara ny mametraka lamina sy fampandraisana andraiktira ny fiaraha-monina (ray aman-dreny, sekoly, manam-pahefana, mpitandro ny filaminana) mba tsy hisian’ny halatra sy famonoana zaza varira intsony.  

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici