# Sab nam. Zaza vavy 13 taona maty an-drano tao Ambohitrinimanga. Tsy ao an-trano foana ny raiamandreniny fa mandeha mivoaka miasa, mpitarika posy ny rainy ary ny reniny mivarotra “yaourt”, ka amin’ny antoandro vao miara-misakafo. Ny sabotsy teo anefa dia tsy nody tao an-trano ilay zaza, notadiavina ka tao anaty dobo no hitan’ny rainy ny fatiny ny alahady tamin’ny 3 ora folakandro, tsy dia lavitra ny tranony, izay misy tanimbary sy dobo.
r.s