- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025

Tapatapany

# Itaosy. Mpanendaka voasambotra. Tratran’ny vela-pandriky ny mpitandro filaminana ihany ity olona iray malaza ratsy amin’ny fenendahana teny amin’ny faritr’Itaosy. Tsy kely lalana tokoa ny ratsy. Mandeha moto ny anao lahy ary izay sendra azy dia mitondra faisana avokoa. Ny polisy teny an-toerana no nahasambotra azy.

# Andavamamba. Ankizy kely maty an-drano. Raha variana nanasa lamba ny renin’ity ankizy kely iray, tsy nahita ny zavatra nanjo ny zanany. Hay efa latsaka tany anaty rano ilay izy. Teo izy vao nikoropaka nitady an’ilay zazakaly 3 taona. Vatana efa tsy nisy aina intsony anefa no hita. Fandrika ho an’ny zaza mihitsy ireny rano mihandrona akaiky tanana ireny ka tokony ho mailo hatrany ny mpitaiza.

# Andraisoro. Ankizilahy kely naolana rangahy. Tapa-bolana mahery teo izay, ankizilahy kely no nanjavona tampoka rehefa avy nilalao. Tafaverina soa aman-tsara tao an-tranony ihany anefa izy fotoana fohy taorian’izay. Araka ny fantatra dia nentina rangahy tsy fantatra izy ary nilaza fa naolan’io rangahy. Rehefa natao ny fizahana dia hita tokoa fa efa simba ilay ankizilahy kely. Nametraka fitoriana avy hatrany ny ray aman-drenin’ity ankizy ity ary mbola karohina ilay nahavanon-doza.

# Famonoan-tena. Tovolahy iray nitelina fanafody miady amin’ny gripa. Omaly maraina no nentina haingana teny amin’ny toeram-pitsaboana ny tovolahy iray, 20 taona. Araka ny fantatra dia saika hanampitra ny andro iainany amin’ny alalan’ny fanafody ity tovolahy ity. Tsy tanteraka anefa izany fa avotra soa aman-tsara ihany izy. Tsy fantatra mazava hatreto izay antony saika hamonoan’ity tovolahy ity tena. Misy ny milaza fa mety olana ara-pitiavana angamba.

nangonin’i r.s/ m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser