- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversNamontana : Trano iray voatafika, lasa ny vola

Namontana : Trano iray voatafika, lasa ny vola

Nisehoana fanafihana mitam-piadiana tany Namontana Anosibe ny misasakalin’ny sabotsy lasa teo. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa mpivarotra ireo olona voaroba. Tsy tany am-pivarotana anefa no niseho ny fandrobana fa tany amin’ny trano fonenana. Ny vaovao voaray hatrany no nahafatarana fa vao avy nanakalo vola vahiny ireto olona ireto. Izay nahafantaran’ny jiolahy an’izany tsy fantatra. Fito lahy nitondra basy ireo mpangalatra. Niditra ny trano ry zalahy ary nitaky vola. Voalaza hatrany fa nisy ny fikasihan-tanana. Rehefa izany, lasan’ireo olon-dratsy ny vola izay tsy fantatra marina ny totaliny.

Tsy mandingana andro mihitsy ny fanafihan-jiolahy eto an-drneivohitra. Saika nahenoina izany foana isan’alina. Tsy azo atoa mihitsy, ho ity olona iray, ny mandeha irery amin’ny toerana takona, indrindra rehefa mihilana ny andro.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser