- Publicité SW45 -
samedi, décembre 21, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversZaza nentin’ny mpanampy nitsoaka : Nadoboka am-ponja ny enina tamin’ireo fito voarohirohy

Zaza nentin’ny mpanampy nitsoaka : Nadoboka am-ponja ny enina tamin’ireo fito voarohirohy

Ny harivan’ny alarobia teo vao vita ny famotorana nataon’ireo mpitsara teo anivon’ny Fampanoavana an’ireo olona fito voarohirohy tamin’ilay raharaha hala-jaza niharo fitakiana vola nitranga teny Iavoloha Bongatsara ny 25 mey lasa teo, ary voasambotry ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Andoranofotsy. Araka ny fanapahan-kevitr’ireto mpitsara mpanao famotorana dia nadoboka am-ponja avy hatrany ny enina tamin’izy ireo, ilay mpanampy sy ireo mpiray tsikombakomba taminy, niara-nanatanteraka izany asa ratsy. Ankizy tsy ampy taona iray, zanak’ilay olona nanafina ilay mpanampy sy ny zaza, nandritra ny fitsoahany kosa nomena fahafahana vonjimaika, saingy arahi-maso ara-pitsaràna. Hatreto aloha, mbola tsy fantatra ny fotoam-pitsaràna azy ireo, saingy ny azo inoana dia afaka hitsakotsako tsara ny zava-dratsy nataony izy ireo eny Antanimora aloha izy ireo.

Miha-mirongatra.

 Taorian’iny tranga iny tokoa dia tsapa ho « niha-nirongatra » hala-jaza, na ny marimarina kokoa, ireo zaza very. Herinandro mahery teo ho eo izay, efa nisy maromaro ihany ireo zaza, ankizivavy voalaza fa tsy hita ary nandefasan’ireo fianakaviany fiangaviana fikarohana tao anaty tambajotra sosialy. Ny somary mahavariana anefa dia saika andro iray eo ihany izy ireo no tsy hita ary aorian’izay dia voalaza fa hita tatsy anona na tatsy anona, « Nisy nanipy avy ao anaty 4×4 ary saika tsy mahatsiaro tena avokoa ». Vao omaly aza moa dia ankizivavy iray no voalaza fa very. Saingy ora vitsivitsy taorian’ny fandefasana ny fikarohana azy tao anaty tambajotra sosialy dia hita ilay ankizy, efa nalemilemy sy « tsy mahatsiaro tena » ihany koa. « Nisy naka rà ny tanany » hoy ny filazan’ny fianakaviana. Taorian’izay tranga izay moa dia nisy avy hatrany ny fanambarana nataon’ny teo anivon’ny polisim-pirenena, miantso ny mba hisian’ny fitonian-tsain’ireo ankizy sy ny ray aman-dreny manoloana izao « tranga fanakorontanana » izao, araka ny nambaran’ny Minisitry ny polisy, izay tonga nijery ilay ankizy narary mihitsy teny anivon’ny hopitaly. « Efa mandray andraikitra ireo mpitandro filaminana, hoy izy, ary efa misokatra ny fanadihadiana. Miantso ihany koa ny vahoaka manam-baovao mba tsy hisalasala hiara-hiasa amin’izy ireo ». Tetsy andanin’izay, ny Tale jeneralin’ny polisy dia nilaza fa « efa misy tetik’ady apetrak’izy ireo, hisorohana sy entina hiadiana amin’izany tranga izany, na eny anivon’ny sekoly na eny an-dalana »

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici