- Publicité -
vendredi, septembre 18, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversKandreho : Olona telo lasan’ny dahalo

Kandreho : Olona telo lasan’ny dahalo

Ny alin’ny talata hifoha alarobia lasa teo, nitrangan’ny fakàna an-keriny tao amin’ny tanàna antsoina hoe Sangampilalao, ao amin’ny kaominina Behazomaty, distrikan’i Kandreho. Araka ny angom-baovao azo dia dahalo fito lahy nitondra basy sy zava-maranitra no tonga naka olona telo tao amin’io tanàna io. Nizotra nianatsimo ny dian’ireto olon-dratsy nitondra ireo olona telo nalaina an-keriny ireto tamin’io fotoana io, izay azo heverina fa nizotra nihazo an’i Mahialambo na Bemangahazo, kaominina Andriba, distrikan’i Maevatanana. Ny ampitson’ity tranga ity moa vao nisy nampandre ny tobim-paritry ny zandary tao Kandreho. Ary tamin’izay fotoana izay ihany dia efa nisy fandraisana andraikitra tamin’ny fandefasana zandary handeha hanara-dia sy hikaroka ireo olon-dratsy fa indrindra hanavotra ireto olona ireto. Nampandrenesina toraka izany ihany koa ireo tobim-paritry ny zandary manodidina. Hatramin’ny omaly dia mbola eny an-kianja avokoa, manao ny fikarohana ireo mpitandro filaminana, raha ny vaovao azo. Nanampy tosika ireo olombelona efa eny an-toerana moa ny zandary maromaro avy eo anivon’ny vondron-tobim-paritra Maevatanana.

Nangonin’i m.L

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici