- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversFisolokiana : PDG iray migadra telo taona

Fisolokiana : PDG iray migadra telo taona

Notsaraina omaly teny Anosy ny raharaha (sary fanehoana)

Omaly no nandeha ny fitsaràna ilay filoha tale jeneraly izay marobe no indray nitory azy noho ny fisolokiana. Ny orinasa EL CUR no nampiasainy nanatontosàna ny famitàhana tetsy sy teroa. Tao anatin’izany ny fividianana entana amin’ny taratasy tsy misy anto-bola (chèque sans provision), ny fampanantenana fampitombonana vola, ny fanofanana olona mba hiasa any ivelany kanefa tsy lasa akory avy eo na dia efa nangalàna volabe aza. Marobe ny endrika fisolokiana nataon’ity rangahy izay antsoina hoe Hermann Mahatsara ity. Marobe koa ny roboka tao anaty fandrikany satria izy dia sahy ny miakatra haino aman-jery hatrany ary mandresy lahatra ny amin’ny asany. Kinanjo asaratsy hangalàna volan’olona ny tao ambadikany. Omaly maraina no notsaraina teo anivon’ny fitsaràna ady heloka tsotra ny raharaha. Voaheloka telo taona an-tranomaizina izy ary mandoa onitra mitentina 61 tapitrisa ariary sy lamandy dimy tapitrisa ariary amin’ireo olona telo izay voasolokiny. Raharaham-pitsaràna voalohany ihany ity nandeha omaly ity satria mbola misy olona any amin’ny 50 isa any koa mitory azy, mbola noho ny fisolokiana hatrany. Momba io indray dia handeha amin’ny 12 jolay hoavy izao ny fitsaràna manaraka.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici