- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025

Tapatapany 

#- Ankazondandy, Moramanga. Mpiaro ny tontolo iainana maty nisy namono. Fantatra teo amin’ny resaka fisintonana lakolosy teo amin’ny sehatry ny fiarovana ny tontolo iainana ity rangahy lehibe, monina ao Antsampandrano, fokontany Ankazondandy, kaominina Mangarivotra (Beparasy teo aloha), distrika Moramanga. Ny voalohandohan’ny volana teo anefa dia fantatra fa maty nisy namono tao an-tranony ingahirainy, ary novonoina tamin’ny fomba feno habibiana mihitsy, raha ny angom-baovao. Marihana fa izy no anisan’ny nampandre ny manampahefana tamin’ny famotehana sy fitrandrahana ala tany an-toerana izy. Efa eny am-pelan-tanan’ny mpitandro filaminana moa ny raharaha mahakasika azy ity ary heverina fa handray ny valin’asany tsy ho ela ireo tsy mataho-tody.

#- Fiadanana. Miaramila maty voatifitra. Zava-doza no niseho tetsy amin’ny toby miaramila iray tetsy Fiadanana ny zoma lasa teo. Nipoaka tampoka ny basy ary niantefa teny amin’ny miaramila iray, tsy lavitra teo. Raha ny fanazavana azo dia tifitra tsy fanahy iniana no nahazo azy satria voakitiky ny namany tampoka ny basy teny an-tanany ary nipoaka ary dia io niantefa teny aminy io. Namoy ny ainy moa ity farany, eny fa na dia teo aza ny fiezahana nitondra azy teny amin’ny hopitaly. Efa nisokatra ny fanadihadiana mahakasika ity tranga ity ataon’ireo tompon’andraikitra misahana izany.

Nangonin’i m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici