Nitombo indray vokatra azon’ireo zandary teo anivon’ny vondron-tobim-paritra Imerina Central. Nihena iray kosa ny ireo olon-dratsy nampitondra ny takaitra ny mponina tamin’iny kaominina Ambohitrolomahitsy sy ny manodidina iny. Ny alahady hifoha alatsinainy lasa teo mantsy dia dahalo raindahiny iray no maty voatifitry ny zandary, teo Avaratry ny Lacroix, fokontany Analakely Sud, kaominina Ambohitrolomahitsy, distrika Manjakandriana.
«Ratongomby », izay no fiantsoana ity olon-dratsy lavon’ny zandary ity. Voalaza fa efa malaza ratsy loatra amin’izay resaka halatr’omby sy ny fanafihana mitam-piadiana izany ny tenany sy ny ekipa miaraka aminy. Vao tsy ela akory aza izy no nivoaka ny fonja noho ireo asa ratsy nataony ireo ihany. Raha ny fantatra hatrany dia efa karohin’ny zandary efa hatry ny ela ny lehilahy saingy izao vao io tsy afa-bela intsony teo am-pelatanan’ireo mpitandro filaminana. Iny distrikan’i Manjakandriana : Sadabe sy Ambohitrolomahitsy ary ny faritra Atsinanan’i distrikan’Ambohidratrimo iny, ny kaominina Avaratsena Sahalemaka, no tena tokontany filalaovan’ity olon-dratsy ity.
Raha ny fanazavana azo, taorian’ny fikarohana nataon’ny zandary azy dia niafina tao amin’ny anabaviny tao Ampaneva, distrika Manjakandriana ity olon-dratsy ity. Nisy anefa ny angom-baovao azon’ny zandary tamin’izany ka noraisim-potsiny tao an-toerana ity farany, ny alahadin’ny Pantekoty teo, ary mbola nahitàna basy poleta vita gasy tany aminy. Nilaza izy tamin’ny fanadihadiana azy fa hanoro ireo toerana hivorian’izy ireo sy misy ireo namany, teo Avaratry ny Lacroix, manamorona iny lalam-pirenena fahatelo iny. Napetraka teo moa ny velam-pandrika rehetra saingy tamin’ny ora farany dia nivadika Ratongomby ary nampandre ireo namany ny fisian’ireo zandary. Raikitra teo ny fifampitifirana tamin’ireto olon-dratsy namany sy ireo zandary avy eo anivon’ny zana-tobim-paritra Ambohimanarivo. Nanararaotra nitsoaka ingahirainy saingy voarain’ny bala ihany koa ary maty tsy tra-drano. Resy tosika kosa tetsy andanin’izay ireo namany ary nanao tari-dositra. Mbola nahitàna taim-bala maromaro moa teo an-toerana taorian’izay.
Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireto namany tafatsoaka ireto any an-toerana. Fa ankoatr’izay aloha dia nosamborina sy nentina natao fanadihadiana ilay anabaviny tao Ampaneva niaraka tamin’ny vadiny. Firaisana tsikombakomba amin’ny dahalo sy fanafenanana olona karohina no hanenjehana azy ireo.
m.L