Irony mpividy vy ambongadiny eto an-drenivohitra irony ity ranamana ity, araka ny fanazavana azo avy amin’ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritra Moramanga. Tra-tehaka rehefa nojonoana, taorian’ny fahatratraran’ireo zandary eo ambany fifehazany, fiara « fourgon » nitondra vy tsy ara-dalàna, izay fantatra fa nivoaka avy tao amin’ny orinasa Ambatovy Moramanga ary nokasaina halefa aty an-drenivohitra. Olona telo izy ireo no voarohirohy tamin’izany halatra izany, ny roa mpamily sy mpanampy azy, tao anatin’ilay fiara ary ny iray io, ranamana mpividy vy, tompon’ny entana. Nadoboka am-ponja avy hatrany moa ity farany, raha nomen’ireo mpitsara mpanao famotorana fahafahana vonjimaika kosa ireo roalahy namany. Raha tsiahivina ny zava-nisy. Rehefa nisy ny fisavàna nataon’ireo zandary, teo Antanambao, Ampitambe, distrika Moramanga, ny alakamisy teo, dia hita nampiahiahy tamin’izany ny fiara « sprinter fourgon » iray. Nitondra vy lava, maromaro, izay nilanja teo amin’ny roa taonina teo ho eo. Rehefa nisy moa ny fisavàna ireo antonta-taratasy mahakasika izany vy izany dia tsikaritra ny tsy nampitombina azy ireo. Nentina nogiazana avy hatrany ilay fiara sy ny entana ary nanokafana famotorana ireto roalahy, mpamily sy ny mpanampy azy. Tamin’izany no nahafantarana fa fitaovana navoaka avy tao amin’ny orinasa Ambatovy Moramanga ireto vy ireto. Nambaran’izy roalahy kosa fa mpitondra fotsiny izy ireo fa tsy azy ireo akory ny entana. Napetraka indray ny velam-pandrika rehetra hanjonoana ilay tena tompony ary nandaitra tanteraka izany. Voasambotra ingahy. Mbola mahavariana hatreto ny nahafahan’ity olona ity, nangalatra vy avy tao amin’ny orinasa Ambatovy. Orinasa mpitrandraka izay miavaka tanteraka sy tsy mba manao ankinanga mihitsy amin’ny resaka fitandroana ny fahalemana sy ny fahalasamana ao amin’ny toerana misy azy ireo. Nambaran’ireo mpanao famotorana moa fa tsy maintsy mbola hitohy ny fanadihadiana ataon’izy ireo, satria azo heverin fa tsy maintsy nisy olona niray tsikombakomba tamin’ity farany tao anatiny, nahafahan’ireo vy ireo nivoaka. Etsy andanin’izay, ny orinasa Ambatovy rahateo dia nijoro ho mpitory tao anatin’ity raharaha ity.
m.L